LUKE
Chapter 21
Luke | Mg1865 | 21:1 | Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin’ ny fandatsahan-drakitra; | |
Luke | Mg1865 | 21:2 | ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy. | |
Luke | Mg1865 | 21:3 | Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra. | |
Luke | Mg1865 | 21:4 | Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ ny haben’ ny fananany no nandatsahany tao amin’ ny rakitra; fa izy kosa tamin’ ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany. | |
Luke | Mg1865 | 21:5 | Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy: | |
Luke | Mg1865 | 21:6 | Ny amin’ ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. | |
Luke | Mg1865 | 21:7 | Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany? | |
Luke | Mg1865 | 21:8 | Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin’ ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy. | |
Luke | Mg1865 | 21:9 | Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin’ izay ny farany. | |
Luke | Mg1865 | 21:10 | Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. | |
Luke | Mg1865 | 21:11 | Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra. | |
Luke | Mg1865 | 21:12 | Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako. | |
Luke | Mg1865 | 21:15 | fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. | |
Luke | Mg1865 | 21:16 | Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. | |
Luke | Mg1865 | 21:20 | Ary raha mahita an’ i Jerosalema voahodidin’ ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. | |
Luke | Mg1865 | 21:21 | Ary izay any Jodia amin’ izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. | |
Luke | Mg1865 | 21:23 | Fa lozan’ ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’ izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ ny tany ary fahatezerana amin’ ity firenena ity. | |
Luke | Mg1865 | 21:24 | Dia ho ringana amin’ ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ ny jentilisa. | |
Luke | Mg1865 | 21:25 | Ary hisy famantarana eo amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ ny tany dia hisy fahorian’ ny firenena amin’ ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ ny ranomasina sy ny fanonjany, | |
Luke | Mg1865 | 21:26 | ka ho reraka ny fon’ ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ ny tany; fa ny herin’ ny lanitra dia hohozongozonina. | |
Luke | Mg1865 | 21:27 | Ary amin’ izany andro izany dia hahita ny Zanak’ olona avy eo amin’ ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. | |
Luke | Mg1865 | 21:28 | Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo. | |
Luke | Mg1865 | 21:30 | Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. | |
Luke | Mg1865 | 21:31 | Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra. | |
Luke | Mg1865 | 21:32 | Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany. | |
Luke | Mg1865 | 21:34 | Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. | |
Luke | Mg1865 | 21:36 | Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona. | |
Luke | Mg1865 | 21:37 | Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva. | |