LUKE
Chapter 4
Luke | Mg1865 | 4:1 | Ary Jesosy feno ny Fanahy Masìna dia niverina avy tany Jordana, ary nentin’ ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy | |
Luke | Mg1865 | 4:2 | ka nalain’ ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’ izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. | |
Luke | Mg1865 | 4:3 | Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. | |
Luke | Mg1865 | 4:4 | Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona. | |
Luke | Mg1865 | 4:5 | Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao. | |
Luke | Mg1865 | 4:6 | Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; | |
Luke | Mg1865 | 4:8 | Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao. | |
Luke | Mg1865 | 4:9 | Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any; | |
Luke | Mg1865 | 4:11 | Ary eny an-tànany no hitondran’ ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao. | |
Luke | Mg1865 | 4:12 | Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrao. | |
Luke | Mg1865 | 4:13 | Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha. | |
Luke | Mg1865 | 4:14 | Ary Jesosy niverina tamin’ ny herin’ ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin’ ny tany rehetra manodidina ny lazany. | |
Luke | Mg1865 | 4:16 | Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. | |
Luke | Mg1865 | 4:17 | Dia natolotra Azy ny bokin’ Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: | |
Luke | Mg1865 | 4:18 | Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, | |
Luke | Mg1865 | 4:20 | Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’ izay rehetra teo amin’ ny synagoga. | |
Luke | Mg1865 | 4:21 | Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany. | |
Luke | Mg1865 | 4:22 | Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak’ i Josefa va Ity? | |
Luke | Mg1865 | 4:23 | Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ ny taninao koa. | |
Luke | Mg1865 | 4:24 | Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ ny taniny. | |
Luke | Mg1865 | 4:25 | Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ ny tany rehetra; | |
Luke | Mg1865 | 4:26 | nefa tsy mba nirahina ho any amin’ ny anankiray tamin’ ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin’ ny tany Sidona ihany, dia ho any amin’ izay vehivavy mpitondratena. | |
Luke | Mg1865 | 4:27 | Ary maro no boka teo amin’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany. | |
Luke | Mg1865 | 4:29 | ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ ny havoana niorenan’ ny tanàna, mba hazerany amin’ ny hantsana. | |
Luke | Mg1865 | 4:31 | Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin’ ny Sabata. | |
Luke | Mg1865 | 4:33 | Ary nisy olona tao amin’ ny synagoga, izay nanana ny fanahin’ ny demonia maloto, dia niantso tamin’ ny feo mahery izy | |
Luke | Mg1865 | 4:34 | ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao. | |
Luke | Mg1865 | 4:35 | Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan’ ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy. | |
Luke | Mg1865 | 4:36 | Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin’ ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo. | |
Luke | Mg1865 | 4:38 | Ary nony nitsangana niala tao amin’ ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona. Ary azon’ ny tazo mafy ny rafozam-bavin’ i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy. | |
Luke | Mg1865 | 4:39 | Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin’ izay izy ka nanompo azy ireo. | |
Luke | Mg1865 | 4:40 | Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin’ izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy. | |
Luke | Mg1865 | 4:41 | Ary nisy demonia nivoaka tamin’ ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak’ Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy. | |
Luke | Mg1865 | 4:42 | Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy. | |
Luke | Mg1865 | 4:43 | Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra any amin’ ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. | |