LUKE
Chapter 22
Luke | Mg1865 | 22:1 | Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska. | |
Luke | Mg1865 | 22:2 | Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an’ i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy. | |
Luke | Mg1865 | 22:3 | Fa Satana niditra tao anatin’ i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy; | |
Luke | Mg1865 | 22:4 | dia nankao amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin’ izay hamadihany an’ i Jesosy amin’ ireo. | |
Luke | Mg1865 | 22:6 | Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin’ ireo amin’ ny tsy misy olona. | |
Luke | Mg1865 | 22:7 | Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska. | |
Luke | Mg1865 | 22:8 | Ary Jesosy naniraka an’ i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika. | |
Luke | Mg1865 | 22:10 | Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin’ ny trano izay hidirany. | |
Luke | Mg1865 | 22:11 | Dia lazao amin’ ny tompon-trano hoe: Izao no lazain’ ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ ny mpianatro? | |
Luke | Mg1865 | 22:12 | Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary. | |
Luke | Mg1865 | 22:13 | Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy. | |
Luke | Mg1865 | 22:15 | Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. | |
Luke | Mg1865 | 22:16 | Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’ izany ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. | |
Luke | Mg1865 | 22:18 | fa lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ ny fanjakan’ Andriamanitra. | |
Luke | Mg1865 | 22:19 | Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. | |
Luke | Mg1865 | 22:20 | Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ ny rako, izay aidina ho anareo. | |
Luke | Mg1865 | 22:22 | Fa ny Zanak’ olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan’ izay lehilahy hahazoana manolotra Azy! | |
Luke | Mg1865 | 22:25 | Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan’ ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa. | |
Luke | Mg1865 | 22:26 | Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo. | |
Luke | Mg1865 | 22:27 | Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo. | |
Luke | Mg1865 | 22:30 | mba hihinana sy hisotro eo amin’ ny latabatro amin’ ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo, | |
Luke | Mg1865 | 22:31 | Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. | |
Luke | Mg1865 | 22:32 | Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao. | |
Luke | Mg1865 | 22:33 | Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin’ ny fahafatesana aza. | |
Luke | Mg1865 | 22:34 | Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao. | |
Luke | Mg1865 | 22:35 | Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy. | |
Luke | Mg1865 | 22:36 | Fa hoy Izy taminy: Fa amin’ izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy. | |
Luke | Mg1865 | 22:37 | Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan’ ny mpanota; fa efa ho tanteraka ny amiko. | |
Luke | Mg1865 | 22:39 | Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy. | |
Luke | Mg1865 | 22:40 | Ary raha vao tonga tao amin’ izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy. | |
Luke | Mg1865 | 22:41 | Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe: | |
Luke | Mg1865 | 22:42 | Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. | |
Luke | Mg1865 | 22:44 | Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin’ ny tany. | |
Luke | Mg1865 | 22:45 | Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ ny mpianatra ka nahita azy matorin’ alahelo. | |
Luke | Mg1865 | 22:46 | Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy. | |
Luke | Mg1865 | 22:47 | Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an’ i Jesosy hanoroka Azy. | |
Luke | Mg1865 | 22:49 | Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin’ ny sabatra va izahay? | |
Luke | Mg1865 | 22:50 | Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana. | |
Luke | Mg1865 | 22:51 | Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy. | |
Luke | Mg1865 | 22:52 | Ary hoy Jesosy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? | |
Luke | Mg1865 | 22:53 | Raha teo aminareo isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin’ ny maizina. | |
Luke | Mg1865 | 22:54 | Ary izy ireo nisambotra an’ i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon’ ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny. | |
Luke | Mg1865 | 22:55 | Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera. | |
Luke | Mg1865 | 22:56 | Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan’ ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy. | |
Luke | Mg1865 | 22:58 | Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman’ ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho. | |
Luke | Mg1865 | 22:59 | Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy. | |
Luke | Mg1865 | 22:60 | Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin’ izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno. | |
Luke | Mg1865 | 22:61 | Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’ i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao. | |
Luke | Mg1865 | 22:63 | Ary ny lehilahy izay nitana an’ i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy. | |
Luke | Mg1865 | 22:64 | Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao? | |
Luke | Mg1865 | 22:66 | Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an’ i Jesosy ho eo amin’ ny Synedriona, dia nanao hoe: | |
Luke | Mg1865 | 22:67 | Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo. | |
Luke | Mg1865 | 22:69 | Fa hatramin’ izao ny Zanak’ olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan’ ny herin’ Andriamanitra. | |
Luke | Mg1865 | 22:70 | Dia hoy izy rehetra: Zanak’ Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy. | |