LUKE
Chapter 23
Luke | Mg1865 | 23:2 | dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’ i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka. | |
Luke | Mg1865 | 23:3 | Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao. | |
Luke | Mg1865 | 23:4 | Dia hoy Pilato tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity. | |
Luke | Mg1865 | 23:5 | Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran’ i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty. | |
Luke | Mg1865 | 23:7 | Ary rehefa fantany fa avy tamin’ ny tany tapahin’ i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin’ i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin’ izany andro izany. | |
Luke | Mg1865 | 23:8 | Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an’ i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony. | |
Luke | Mg1865 | 23:10 | Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy. | |
Luke | Mg1865 | 23:11 | Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin’ i Pilato. | |
Luke | Mg1865 | 23:12 | Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin’ izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan’ izany. | |
Luke | Mg1865 | 23:13 | Ary rehefa nasain’ i Pilato novorina ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka, | |
Luke | Mg1865 | 23:14 | dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity amin’ izay iampanganareo Azy. | |
Luke | Mg1865 | 23:15 | Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy; | |
Luke | Mg1865 | 23:18 | Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay! | |
Luke | Mg1865 | 23:19 | Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona. | |
Luke | Mg1865 | 23:21 | Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! | |
Luke | Mg1865 | 23:22 | Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako. | |
Luke | Mg1865 | 23:23 | Fa niantso tamin’ ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an’ i Jesosy amin’ ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon’ ny olona. | |
Luke | Mg1865 | 23:25 | Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony. | |
Luke | Mg1865 | 23:26 | Ary raha nitondra an’ i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an’ i Jesosy. | |
Luke | Mg1865 | 23:27 | Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy. | |
Luke | Mg1865 | 23:28 | Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin’ i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo. | |
Luke | Mg1865 | 23:29 | Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza. | |
Luke | Mg1865 | 23:30 | Dia hilaza amin’ ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin’ ny havoana hoe: Saròny izahay. | |
Luke | Mg1865 | 23:33 | Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’ i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. | |
Luke | Mg1865 | 23:34 | Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany. | |
Luke | Mg1865 | 23:35 | Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin’ Andriamanitra, dia Ilay nofidina. | |
Luke | Mg1865 | 23:39 | Ary ny anankiray tamin’ ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay. | |
Luke | Mg1865 | 23:40 | Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? | |
Luke | Mg1865 | 23:41 | Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. | |
Luke | Mg1865 | 23:43 | Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. | |
Luke | Mg1865 | 23:44 | Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany, | |
Luke | Mg1865 | 23:45 | satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin’ ny tempoly. | |
Luke | Mg1865 | 23:46 | Ary niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy. | |
Luke | Mg1865 | 23:47 | Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io. | |
Luke | Mg1865 | 23:48 | Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra. | |
Luke | Mg1865 | 23:49 | Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany. | |
Luke | Mg1865 | 23:50 | Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan’ ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina. | |
Luke | Mg1865 | 23:51 | Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan’ ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra. | |
Luke | Mg1865 | 23:53 | Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ ny fasana nolavahana tamin’ ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona. | |
Luke | Mg1865 | 23:55 | Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty. | |