Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
LUKE
Prev Up Next
Chapter 23
Luke Mg1865 23:1  Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an’ i Jesosy tany amin’ i Pilato,
Luke Mg1865 23:2  dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’ i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
Luke Mg1865 23:3  Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.
Luke Mg1865 23:4  Dia hoy Pilato tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity.
Luke Mg1865 23:5  Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran’ i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.
Luke Mg1865 23:6  Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.
Luke Mg1865 23:7  Ary rehefa fantany fa avy tamin’ ny tany tapahin’ i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin’ i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin’ izany andro izany.
Luke Mg1865 23:8  Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an’ i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.
Luke Mg1865 23:9  Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.
Luke Mg1865 23:10  Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy.
Luke Mg1865 23:11  Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin’ i Pilato.
Luke Mg1865 23:12  Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin’ izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan’ izany.
Luke Mg1865 23:13  Ary rehefa nasain’ i Pilato novorina ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,
Luke Mg1865 23:14  dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity amin’ izay iampanganareo Azy.
Luke Mg1865 23:15  Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;
Luke Mg1865 23:18  Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!
Luke Mg1865 23:19  Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.
Luke Mg1865 23:20  Ary satria tian’ i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.
Luke Mg1865 23:21  Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!
Luke Mg1865 23:22  Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako.
Luke Mg1865 23:23  Fa niantso tamin’ ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an’ i Jesosy amin’ ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon’ ny olona.
Luke Mg1865 23:25  Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.
Luke Mg1865 23:26  Ary raha nitondra an’ i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an’ i Jesosy.
Luke Mg1865 23:27  Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
Luke Mg1865 23:28  Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin’ i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
Luke Mg1865 23:29  Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
Luke Mg1865 23:30  Dia hilaza amin’ ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin’ ny havoana hoe: Saròny izahay.
Luke Mg1865 23:31  Fa raha ataony amin’ ny hazo maitso izany hatao ahoana amin’ ny maina?
Luke Mg1865 23:32  Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
Luke Mg1865 23:33  Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’ i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
Luke Mg1865 23:34  Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
Luke Mg1865 23:35  Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin’ Andriamanitra, dia Ilay nofidina.
Luke Mg1865 23:36  Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,
Luke Mg1865 23:37  sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan’ ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
Luke Mg1865 23:38  Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’ NY JIOSY.
Luke Mg1865 23:39  Ary ny anankiray tamin’ ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.
Luke Mg1865 23:40  Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
Luke Mg1865 23:41  Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
Luke Mg1865 23:42  Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao.
Luke Mg1865 23:43  Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
Luke Mg1865 23:44  Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany,
Luke Mg1865 23:45  satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin’ ny tempoly.
Luke Mg1865 23:46  Ary niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
Luke Mg1865 23:47  Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.
Luke Mg1865 23:48  Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.
Luke Mg1865 23:49  Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
Luke Mg1865 23:50  Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan’ ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.
Luke Mg1865 23:51  Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan’ ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 23:52  Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy.
Luke Mg1865 23:53  Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ ny fasana nolavahana tamin’ ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
Luke Mg1865 23:54  Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata.
Luke Mg1865 23:55  Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.
Luke Mg1865 23:56  Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin’ ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.