Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
NUMBERS
Prev Up Next
Chapter 20
Numb Mg1865 20:1  Ary tamin’ ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak’ Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
Numb Mg1865 20:2  Ary tsy nisy rano ho an’ ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin’ i Mosesy sy Arona.
Numb Mg1865 20:3  Dia nila ady tamin’ i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin’ ny nahafatesan’ ny rahalahinay teo anatrehan’ i Jehovah!
Numb Mg1865 20:4  Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’ i Jehovah ho amin’ ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
Numb Mg1865 20:5  Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin’ ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?
Numb Mg1865 20:6  Dia niala teo anatrehan’ ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr’ i Jehovah.
Numb Mg1865 20:7  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numb Mg1865 20:8  Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an’ ny olona avy amin’ ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Numb Mg1865 20:9  Dia nalain’ i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan’ i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
Numb Mg1865 20:10  Dia novorin’ i Mosesy sy Arona teo anoloan’ ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
Numb Mg1865 20:11  Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Numb Mg1865 20:12  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason’ ny Zanak’ Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin’ ny tany izay nomeko azy ianareo.
Numb Mg1865 20:13  Ity no ranon’ i Meriba, izay nilan’ ny Zanak’ Isiraely ady tamin’ i Jehovah, ka nisehoan’ i Jehovah ho masìna tamin’ ny nataony taminy.
Numb Mg1865 20:14  Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma hanao hoe: Izao no lazain’ i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
Numb Mg1865 20:15  dia ny nidinan’ ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;
Numb Mg1865 20:16  ary raha nitaraina tamin’ i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin’ ny faritry ny taninao, izahay;
Numb Mg1865 20:17  koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin’ ny lavaka fantsakana akory: ny lalan’ andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
Numb Mg1865 20:18  Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ ny sabatra aho.
Numb Mg1865 20:19  Dia hoy ny Zanak’ Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman’ ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
Numb Mg1865 20:20  Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.
Numb Mg1865 20:21  Toy izany no nandavan’ ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak’ Isiraely.
Numb Mg1865 20:22  Ary nifindra ny Zanak’ Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.
Numb Mg1865 20:23  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin’ ny fari-tanin’ i Edoma, ka nanao hoe:
Numb Mg1865 20:24  Arona hangonina any amin’ ny razany; fa tsy hiditra any amin’ ny tany izay nomeko ny Zanak’ Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin’ ny ranon’ i Meriba ianareo.
Numb Mg1865 20:25  Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
Numb Mg1865 20:26  dia esory ny fitafian’ i Arona, ka atafio an’ i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin’ ny razany ka ho faty ao.
Numb Mg1865 20:27  Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’ i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason’ ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.
Numb Mg1865 20:28  Dia nesorin’ i Mosesy ny fitafian’ i Arona ka natafiny an’ i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon’ ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.
Numb Mg1865 20:29  Koa nony hitan’ ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak’ Isiraely rehetra.