PROVERBS
Chapter 4
Prov | Mg1865 | 4:1 | Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara. | |
Prov | Mg1865 | 4:4 | Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao. | |
Prov | Mg1865 | 4:5 | Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. | |
Prov | Mg1865 | 4:7 | Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara. | |
Prov | Mg1865 | 4:8 | Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao. | |
Prov | Mg1865 | 4:9 | Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao. | |
Prov | Mg1865 | 4:12 | Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina. | |
Prov | Mg1865 | 4:14 | Aza mankany amin’ ny alehan’ ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin’ ny lalan’ ny ratsy. | |
Prov | Mg1865 | 4:16 | Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany. | |
Prov | Mg1865 | 4:18 | Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro. | |
Prov | Mg1865 | 4:19 | Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy. | |
Prov | Mg1865 | 4:23 | Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ ny aina. | |