DANIEL
Chapter 11
Dani | Mg1865 | 11:1 | Fa tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho. | |
Dani | Mg1865 | 11:2 | Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan’ i Grisia. | |
Dani | Mg1865 | 11:3 | Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin’ ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony. | |
Dani | Mg1865 | 11:4 | Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin’ ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an’ ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an’ ny hafa, fa tsy ho an’ ireo. | |
Dani | Mg1865 | 11:5 | Ary hahery ny mpanjakan’ ny atsimo; nefa ny anankiray amin’ ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany. | |
Dani | Mg1865 | 11:6 | Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin’ ny mpanjakan’ ny atsimo hankany amin’ ny mpanjakan’ ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin’ izay nampahery azy tamin’ izany andro izany. | |
Dani | Mg1865 | 11:7 | Fa hisy solofony anankiray avy amin’ ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian’ izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin’ ny mpanjakan’ ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy. | |
Dani | Mg1865 | 11:8 | Ary ny andriamaniny koa mbamin’ ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan’ ny avaratra izy. | |
Dani | Mg1865 | 11:9 | Ary ho tonga amin’ ny fanjakan’ ny mpanjakan’ ny atsimo izy, nefa hody any amin’ ny taniny ihany. | |
Dani | Mg1865 | 11:10 | Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza. | |
Dani | Mg1865 | 11:11 | Ary dia hisafoaka ny mpanjakan’ ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin’ ny mpanjakan’ ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany. | |
Dani | Mg1865 | 11:12 | Ary raha miainga ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery. | |
Dani | Mg1865 | 11:13 | Fa hiverina ny mpanjakan’ ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka. | |
Dani | Mg1865 | 11:14 | Ary amin’ izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan’ ny atsimo; ary ireo loza indrindra amin’ ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo izy. | |
Dani | Mg1865 | 11:15 | Ka dia ho avy ny mpanjakan’ ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin’ ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany. | |
Dani | Mg1865 | 11:16 | Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin’ ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany. | |
Dani | Mg1865 | 11:17 | Dia hivonona tsara handeha amin’ ny herin’ ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin’ ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory. | |
Dani | Mg1865 | 11:18 | Ary hitodika mankany amin’ ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony. | |
Dani | Mg1865 | 11:19 | Dia hitodika hankany, amin’ ny fiarovana mafy any amin’ ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita. | |
Dani | Mg1865 | 11:20 | Ary hitsangana handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin’ izay tsara indrindra amin’ ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin’ ny fahatezerana, na amin’ ny ady. | |
Dani | Mg1865 | 11:21 | Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin’ ny fahafetsena, | |
Dani | Mg1865 | 11:22 | ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin’ ny andriana vita fanekena aminy koa. | |
Dani | Mg1865 | 11:23 | Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny. | |
Dani | Mg1865 | 11:24 | Hiditra tsy ampoizina amin’ ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon’ ny rainy na ny razany; hahahany eny amin’ ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin’ ny fotoana. | |
Dani | Mg1865 | 11:25 | Ary hanaitra ny heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan’ ny atsimo amin’ ny miaramila maro; ary ny mpanjakan’ ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy. | |
Dani | Mg1865 | 11:26 | Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra. | |
Dani | Mg1865 | 11:27 | Ary ny fon’ ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin’ ny fotoana ihany. | |
Dani | Mg1865 | 11:28 | Ary hiverina ho any amin’ ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masìna; ary hahefa sy hiverina ho any amin’ ny taniny izy | |
Dani | Mg1865 | 11:29 | Amin’ ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany; | |
Dani | Mg1865 | 11:30 | fa ny sambon’ i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin’ ny fanekena masìna ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin’ ireo efa mahafoy ny fanekena masìna. | |
Dani | Mg1865 | 11:31 | Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masìna, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan’ andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana. | |
Dani | Mg1865 | 11:32 | Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin’ ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an’ Andriamaniny kosa dia hifikitra amin’ izany ka hankatò azy. | |
Dani | Mg1865 | 11:33 | Ary izay hendry ao amin’ ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon’ ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy. | |
Dani | Mg1865 | 11:34 | Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin’ ny fihatsaram-belatsihy. | |
Dani | Mg1865 | 11:35 | Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan’ ny andro farany, fa mbola ho amin’ ny fotoana ihany izany. | |
Dani | Mg1865 | 11:36 | Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’ Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao. | |
Dani | Mg1865 | 11:37 | Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan’ ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy. | |
Dani | Mg1865 | 11:38 | Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany. | |
Dani | Mg1865 | 11:39 | Dia homban’ ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia. | |
Dani | Mg1865 | 11:40 | Ary amin’ ny faran’ ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan’ ny atsimo; ary ny mpanjakan’ ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin’ ny tany izy ka hanerana toy ny safotra. | |
Dani | Mg1865 | 11:41 | Hiditra ao amin’ ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan’ ny taranak’ i Amona. | |
Dani | Mg1865 | 11:42 | Haninjitra ny tànany amin’ ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra. | |
Dani | Mg1865 | 11:43 | Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan’ i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy. | |
Dani | Mg1865 | 11:44 | Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin’ ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro. | |