Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EXODUS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 19
Exod Mg1865 19:1  Tamin’ ny volana fahatelo taorian’ ny nialan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tany Egypta, dia tamin’ izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr’ i Sinay.
Exod Mg1865 19:2  Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin’ ny efitr’ i Sinay, dia nitoby teo amin’ ny efitra; dia tandrifin’ ny tendrombohitra no nitobian’ ny Isiraely teo.
Exod Mg1865 19:3  Ary Mosesy niakatra ho ao amin’ Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin’ ny taranak’ i Jakoba sy hambaranao amin’ ny Zanak’ Isiraely:
Exod Mg1865 19:4  Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.
Exod Mg1865 19:5  Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Exod Mg1865 19:6  Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masìna ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Exod Mg1865 19:7  Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon’ ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian’ i Jehovah azy.
Exod Mg1865 19:8  Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin’ i Mosesy tao amin’ i Jehovah kosa ny tenin’ ny olona.
Exod Mg1865 19:9  Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin’ ny rahona maizina, mba ho ren’ ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’ i Mosesy tamin’ i Jehovah ny tenin’ ny olona.
Exod Mg1865 19:10  Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ ny olona, ka manamasìna azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
Exod Mg1865 19:11  ary aoka samy hiomana ho amin’ ny andro fahatelo izy; fa amin’ ny andro fahatelo no hidinan’ i Jehovah ho eo imason’ ny olona rehetra eo an-tampon’ ny tendrombohitra Sinay.
Exod Mg1865 19:12  Dia hanisy fefy manodidina ho an’ ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin’ ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
Exod Mg1865 19:13  tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin’ ny tendrombohitra izy.
Exod Mg1865 19:14  Dia nidina avy tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin’ ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
Exod Mg1865 19:15  Ary hoy izy tamin’ ny olona: Miomàna ianareo ho amin’ ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
Exod Mg1865 19:16  Ary nony tamin’ ny marain’ ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ ny tendrombohitra, ary nisy feon’ anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
Exod Mg1865 19:17  Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin’ Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin’ ny tendrombohitra izy.
Exod Mg1865 19:18  Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
Exod Mg1865 19:19  Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
Exod Mg1865 19:20  Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon’ ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an’ i Mosesy hankeo an-tampon’ ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.
Exod Mg1865 19:21  Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin’ i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.
Exod Mg1865 19:22  Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an’ i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.
Exod Mg1865 19:23  Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin’ ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy.
Exod Mg1865 19:24  Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midìna, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’ i Jehovah, fandrao haringana izy.
Exod Mg1865 19:25  Ary Mosesy dia nidina nankeny amin’ ny olona ka niteny taminy.