Chapter 1
Hagg | Mg1865 | 1:1 | Tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa mpanjaka no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany tamin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe: | |
Hagg | Mg1865 | 1:2 | Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon’ i Jehovah. | |
Hagg | Mg1865 | 1:4 | Moa andro tokony hitoeran’ ny tenanareo ao amin’ ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity? | |
Hagg | Mg1865 | 1:6 | Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka. | |
Hagg | Mg1865 | 1:8 | Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah. | |
Hagg | Mg1865 | 1:9 | Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy. | |
Hagg | Mg1865 | 1:10 | Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan’ ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan’ ny tany tsy hahavokatra. | |
Hagg | Mg1865 | 1:11 | Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin’ izay rehetra efa nisasaran’ ny tanana. | |
Hagg | Mg1865 | 1:12 | Ary Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka, dia nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin’ i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan’ i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan’ i Jehovah ny olona. | |
Hagg | Mg1865 | 1:13 | Ary nambaran’ i Hagay, irak’ i Jehovah, ny teny nampitondrain’ i Jehovah ho amin’ ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah. | |
Hagg | Mg1865 | 1:14 | Dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamaniny, | |
Chapter 2
Hagg | Mg1865 | 2:1 | Tamin’ ny andro fahiraika amby roa-polo tamin’ ny volana fahafito no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany nanao hoe: | |
Hagg | Mg1865 | 2:2 | Lazao amin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora any Joda, sy amin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin’ ny sisa amin’ ny vahoaka hoe: | |
Hagg | Mg1865 | 2:3 | Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin’ ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity? | |
Hagg | Mg1865 | 2:4 | Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, | |
Hagg | Mg1865 | 2:5 | araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo. | |
Hagg | Mg1865 | 2:6 | Fa izao no lazain’ i Jehovah. Tompon’ ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; | |
Hagg | Mg1865 | 2:7 | ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. | |
Hagg | Mg1865 | 2:9 | Ny voninahitr’ ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; ary eto amin’ ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. | |
Hagg | Mg1865 | 2:10 | Tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahasivy tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany nanao hoe: | |
Hagg | Mg1865 | 2:11 | Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Andeha maka hevitra amin’ ny mpisorona hoe: | |
Hagg | Mg1865 | 2:12 | Raha misy mitondra hena masìna eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masìna koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia. | |
Hagg | Mg1865 | 2:13 | Ary hoy Hagay: Raha misy maloto amim-paty mikasika ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho tonga maloto ireo. | |
Hagg | Mg1865 | 2:14 | Dia namaly Hagay nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan’ ny tànany rehetra; fa izay ateriny ao dia maloto. | |
Hagg | Mg1865 | 2:15 | Koa masìna ianareo, hevero ny hatramin’ izao andro anio izao no ho mankary, dia fony tsy mbola nisy vato nifanongoa tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah; | |
Hagg | Mg1865 | 2:16 | fony tamin’ izany andro izany raha nisy nankamin’ ny vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha nisy nankamin’ ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimam-polon’ ny famarana, dia roa-polo ihany. | |
Hagg | Mg1865 | 2:17 | Ny vary main’ ny rivotra sy maty fotsy sy ny havandra no namelezako anareo tamin’ ny asan’ ny tananareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. | |
Hagg | Mg1865 | 2:18 | Masìna ianareo, hevero ny hatramin’ izao andro anio izao no ho mankary, dia hatramin’ ny andro fahefatra amby roa-polo amin’ ny volana fahasivy, eny, hevero hatramin’ ny andro nanorenana ny tempolin’ i Jehovah. | |
Hagg | Mg1865 | 2:19 | Mbola ao an-tsompitra ihany va ny voan-javatra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongabendanitra sy ny oliva aza dia tsy mbola mamoa; hatramin’ izao andro anio izao no hitahiako anareo. | |
Hagg | Mg1865 | 2:20 | Ary tonga fanindroany tamin’ i Hagay ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo nanao hoe: | |
Hagg | Mg1865 | 2:21 | Lazao amin’ i Zerobabela, governora any Joda, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany | |
Hagg | Mg1865 | 2:22 | dia hahohoko ny seza fiandrianan’ ny fanjakana, ary hofoanako ny herin’ ny fanjakan’ ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon’ ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy. | |