Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOSHUA
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 13
Josh Mg1865 13:1  Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.
Josh Mg1865 13:2  Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an’ ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,
Josh Mg1865 13:3  hatrany Sihora, izay atsinanan’ i Egypta, ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an’ ny Kananita, ireo andriana dimy amin’ ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
Josh Mg1865 13:4  any atsimo, dia ny tanin’ ny Kananita rehetra sy Meara, izay an’ ny Sidoniana, hatrany Afeka ka hatramin’ ny fari-tanin’ ny Amorita,
Josh Mg1865 13:5  ary ny tanin’ ny Gebalita sy Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Bala-gada eo am-bodin’ ny tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin’ i Hamata,
Josh Mg1865 13:6  ary ny mponina rehetra any amin’ ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-mamia, dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin’ ny filokana ho lovan’ ny Zanak’ Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.
Josh Mg1865 13:7  Ary ankehitriny zarao izao tany izao ho lovan’ ny firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
Josh Mg1865 13:8  Ary niaraka tamin’ ireo koa no nahazoan’ ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen’ i Mosesy azy any an-dafy atsinanan’ i Jordana, araka izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy,
Josh Mg1865 13:9  dia hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan’ ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,
Josh Mg1865 13:10  ary ny tanàna rehetra izay an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatramin’ ny faritanin’ ny taranak’ i Amona,
Josh Mg1865 13:11  ary Gileada sy ny tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka,
Josh Mg1865 13:12  dia ny fanjakana rehetra an’ i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin’ ny Refaïta); fa resin’ i Mosesy ireny ka noroahiny.
Josh Mg1865 13:13  Kanefa tsy mba noroahin’ ny Zanak’ Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita.
Josh Mg1865 13:14  Ny firenen’ i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.
Josh Mg1865 13:15  Ary nomen’ i Mosesy lova ny firenena taranak’ i Robena araka ny fokony
Josh Mg1865 13:16  Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan’ ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
Josh Mg1865 13:17  dia Hesbona sy ny tanànany rehetra, izay eo amin’ ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meona
Josh Mg1865 13:19  sy Kiria-taima sy Sibma sy Zareta-sahara amin’ ny tendrombohitra ao an-dohasaha,
Josh Mg1865 13:20  sy Beti-peora sy ny ao am-bodin’ i Pisga ary Beti-jesimota
Josh Mg1865 13:21  ary ny tanàna rehetra any amin’ ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin’ i Mosesy izy sy ireo andrianan’ ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an’ i Sihona ka nitoetra teo amin’ ny tany.
Josh Mg1865 13:22  Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak’ i Beora, dia novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra niaraka tamin’ izay novonoiny.
Josh Mg1865 13:23  Ary ny fari-tanin’ ny taranak’ i Robena dia ny amoron’ i Jordana. Izay no lovan’ ny taranak’ i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 13:24  Ary nomen’ i Mosesy koa ny firenen’ i Gada, dia ny taranak’ i Gada araka ny fokony.
Josh Mg1865 13:25  Ary ny faritaniny dia Jazera sy ny tanàna rehetra any Gileada ary ny antsasaky ny tanin’ ny taranak’ i Amona, hatrany Aroera, izay tandrifin’ i Raba,
Josh Mg1865 13:26  ary hatrany Hesbona ka hatrany Ramatamizpa sy Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatramin’ ny faritanin’ i Debira;
Josh Mg1865 13:27  ary teo amin’ ny lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin’ ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy ny amoron’ i Jordana hatramin’ ny amoron’ ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan’ i Jordana.
Josh Mg1865 13:28  Izany no lovan’ ny taranak’ i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
Josh Mg1865 13:29  Ary nomen’ i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen’ i Manase; ary izao no an’ ny antsasaky ny firenena taranak’ i Manase araka ny fokony:
Josh Mg1865 13:30  Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, ary ny tanàna madinika rehetra an’ i Jaïra, izay any Basana, dia tanàna enim-polo.
Josh Mg1865 13:31  Ary ny antsasak’ i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin’ ny fanjakan’ i Oga any Basana, dia an’ ny taranak’ i Makira, zanak’ i Manase, dia ho an’ ny antsasaky ny taranak’ i Makira araka ny fokony.
Josh Mg1865 13:32  Ireo no voazaran’ i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
Josh Mg1865 13:33  Ary ny firenen’ i Levy tsy mba nomen’ i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy.