Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
NEHEMIAH
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 3
Nehe Mg1865 3:1  Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ ny tilikambo Hamea ka hatramin’ ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
Nehe Mg1865 3:2  Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak’ Imry.
Nehe Mg1865 3:3  Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak’ i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
Nehe Mg1865 3:4  Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, zanak’ i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak’ i Bana.
Nehe Mg1865 3:5  Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoïta; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ ny fanompoana ny Tompony.
Nehe Mg1865 3:6  Ary ny vavahady taloha dia namboarin’ i Joiada, zanak’ i Pasea, sy Mesolama, zanak’ i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
Nehe Mg1865 3:7  Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin’ ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ ny seza fiandrianan’ ny governora etỳ an-dafin’ ny ony etỳ.
Nehe Mg1865 3:8  Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak’ i Haraia, isan’ ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an’ i Jerosalema izy hatramin’ ny mandà lehibe.
Nehe Mg1865 3:9  Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia, zanak’ i Hora, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema.
Nehe Mg1865 3:10  Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak’ i Haromafa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak’ i Hasabnia.
Nehe Mg1865 3:11  Ny sasany koa mbamin’ ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Harima, sy Hasoba, zanak’ i Pahatamoaba.
Nehe Mg1865 3:12  Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak’ i Halohesy, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.
Nehe Mg1865 3:13  Ny vavahady mankamin’ ny lohasaha dia namboarin’ i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ ny manda hatramin’ ny vavahadin-jezika.
Nehe Mg1865 3:14  Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Rekaba, komandin’ ny fehin’ i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
Nehe Mg1865 3:15  Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin’ i Saloma, zanak’ i Kola-hoze, komandin’ ny fehin’ i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan’ ny farihy Siloa, teo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka, ka hatramin’ ny ambaratonga midìna avy any an-Tanànan’ i Davida.
Nehe Mg1865 3:16  Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak’ i Azboka, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Beti-zora, hatramin’ ny teo amin’ ny tandrifin’ ireo fasan’ i Davida ka hatramin’ ny farihy izay natao ary hatramin’ ny tranon’ ny lehilahy mahery.
Nehe Mg1865 3:17  Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak’ i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila, ho an’ ny fehiny.
Nehe Mg1865 3:18  Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak’ i Henadada, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila.
Nehe Mg1865 3:19  Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin’ i Ezera, zanak’ i Jesoa, komandin’ i Mizpa, teo amin’ ny tandrifin’ ny fiakarana ho any amin’ ny trano fitehirizam-piadiana eo amin’ ny fiolahana.
Nehe Mg1865 3:20  Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak’ i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin’ ny fiolahana ka hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba mpisoronabe.
Nehe Mg1865 3:21  Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza, hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba ka hatramin’ ny faran’ ny tranon’ i Eliasiba.
Nehe Mg1865 3:22  Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin’ ny tany lemaka.
Nehe Mg1865 3:23  Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak’ i Mahaseia, zanak’ i Anania, teo anilan’ ny tranony ihany.
Nehe Mg1865 3:24  Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin’ i Binoy, zanak’ i Henadada, hatramin’ ny tranon’ i Azaria ka hatramin’ ny fiolahana eo amin’ ny zorony.
Nehe Mg1865 3:25  Ary Palala, zanak’ i Ozay, koa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ ny tilikambo ambony, eo amin’ ny ranon’ ny mpanjaka, eo akaikin’ ny tokotanin’ ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak’ i Parosy.
Nehe Mg1865 3:26  Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ ny tandrifin’ ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ ny tilikambo.
Nehe Mg1865 3:27  Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin’ ny Tekoïta, teo amin’ ny tandrifin’ ny mandroso eo amin’ ny tilikambo lehibe ka hatramin’ ny mandan’ i Ofela.
Nehe Mg1865 3:28  Hatreo ambonin’ ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin’ ny mpisorona, dia samy ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony avy.
Nehe Mg1865 3:29  Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak’ Imera, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak’ i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
Nehe Mg1865 3:30  Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Hanania, zanak’ i Setemia, sy Hanona, fahenin’ ny zanak’ i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny efi-tranony ihany.
Nehe Mg1865 3:31  Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan’ ny mpanefy volamena, hatramin’ ny tranon’ ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny vavahady Mifikada ka hatramin’ ny trano ambony teo an-jorony.
Nehe Mg1865 3:32  Ary ny teo anelanelan’ ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ ondry no namboarin’ ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.
Nehe Mg1865 3:33  Ary rehefa ren’ i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy,
Nehe Mg1865 3:34  dia niteny teo anatrehan’ ny namany sy ny miaramilan’ i Samaria hoe: Inona no ataon’ ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato avy amin’ ny lavenona miavosa va ireo?
Nehe Mg1865 3:35  Ary Tobia Amonita dia teo anilan’ i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboahaolo aza miakatra eo amin’ izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.
Nehe Mg1865 3:36  Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin’ ny tany izay ahababoany izy.
Nehe Mg1865 3:37  Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan’ ireo mandrafitra izy.
Nehe Mg1865 3:38  Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin’ ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.