PROVERBS
Chapter 12
Prov | Mg1865 | 12:2 | Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’ i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny. | |
Prov | Mg1865 | 12:3 | Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ ny marina tsy mba hihetsika. | |
Prov | Mg1865 | 12:4 | Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana. | |
Prov | Mg1865 | 12:6 | Ny tenin’ ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ ny marina hamonjy azy. | |
Prov | Mg1865 | 12:7 | Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin’ ny marina haharitra. | |
Prov | Mg1865 | 12:8 | Araka ny fahendren’ ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona. | |
Prov | Mg1865 | 12:9 | Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory. | |
Prov | Mg1865 | 12:10 | Ny marina mitsimbina ny ain’ ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon’ ny ratsy fanahy; | |
Prov | Mg1865 | 12:11 | Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina. | |
Prov | Mg1865 | 12:13 | Amin’ ny fahotan’ ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin’ ny fahoriana. | |
Prov | Mg1865 | 12:14 | Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan’ ny tànany hitsingerina aminy. | |
Prov | Mg1865 | 12:16 | Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry. | |
Prov | Mg1865 | 12:17 | Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka. | |
Prov | Mg1865 | 12:18 | Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ ny sabatra; Fa ny lelan’ ny marina dia fanasitranana kosa. | |
Prov | Mg1865 | 12:19 | Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja. | |
Prov | Mg1865 | 12:20 | Fitaka no ao am-pon’ izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin’ izay misaina fiadanana. | |
Prov | Mg1865 | 12:22 | Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. | |
Prov | Mg1865 | 12:23 | Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon’ ny adala mamoaka fahadalana. | |
Prov | Mg1865 | 12:25 | Ny alahelo ao am-pon’ ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy. | |
Prov | Mg1865 | 12:26 | Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy. | |