PROVERBS
Chapter 28
Prov | Mg1865 | 28:1 | Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora. | |
Prov | Mg1865 | 28:2 | Ny fahotan’ ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian’ ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana. | |
Prov | Mg1865 | 28:3 | Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina. | |
Prov | Mg1865 | 28:4 | Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy. | |
Prov | Mg1865 | 28:5 | Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an’ i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra. | |
Prov | Mg1865 | 28:6 | Ny malahelo izay mandeha amin’ ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika. | |
Prov | Mg1865 | 28:7 | Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy. | |
Prov | Mg1865 | 28:8 | Izay mampitombo ny fananany amin’ ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’ izay miantra ny malahelo | |
Prov | Mg1865 | 28:9 | Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana. | |
Prov | Mg1865 | 28:10 | Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin’ ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa. | |
Prov | Mg1865 | 28:11 | Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy. | |
Prov | Mg1865 | 28:12 | Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka. | |
Prov | Mg1865 | 28:13 | Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po. | |
Prov | Mg1865 | 28:14 | Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza. | |
Prov | Mg1865 | 28:16 | Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona. | |
Prov | Mg1865 | 28:17 | Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy. | |
Prov | Mg1865 | 28:18 | Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka. | |
Prov | Mg1865 | 28:19 | Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa. | |
Prov | Mg1865 | 28:20 | Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina. | |
Prov | Mg1865 | 28:21 | Tsy mety raha mizaha tavan’ olona; Kanefa na dia amin’ ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ ny olona hanotana. | |
Prov | Mg1865 | 28:23 | Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin’ ny lelany. | |
Prov | Mg1865 | 28:26 | Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala. | |
Prov | Mg1865 | 28:27 | Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be; | |