Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
DEUTERONOMY
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 23
Deut Mg1865 23:1  Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin’ izay nandrian-drainy.
Deut Mg1865 23:2  Tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
Deut Mg1865 23:3  Ny zazasary tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
Deut Mg1865 23:4  Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah hatramin’ ny mandrakizay ireny,
Deut Mg1865 23:5  satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an’ i Balama, zanak’ i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
Deut Mg1865 23:6  Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an’ i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
Deut Mg1865 23:7  Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ ny andronao rehetra mandrakizay.
Deut Mg1865 23:8  Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin’ ny taniny ianao.
Deut Mg1865 23:9  Ny zafiafin’ ireo dia hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
Deut Mg1865 23:10  Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
Deut Mg1865 23:11  Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin’ ny alina, dia hivoaka eny ivelan’ ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
Deut Mg1865 23:12  Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin’ ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin’ ny toby indray izy.
Deut Mg1865 23:13  Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan’ ny toby ho fivoahanao;
Deut Mg1865 23:14  ary mitondrà fantaka miaraka amin’ ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin’ ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.
Deut Mg1865 23:15  Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan’ ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masìna ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
Deut Mg1865 23:16  Aza atolotrao amin’ ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
Deut Mg1865 23:17  Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
Deut Mg1865 23:18  Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
Deut Mg1865 23:19  Aza mitondra ny tangin’ ny vehivavy janga, na ny karaman’ alika, ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
Deut Mg1865 23:20  Aza mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.
Deut Mg1865 23:21  Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.
Deut Mg1865 23:22  Raha mivoady amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.
Deut Mg1865 23:23  Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany.
Deut Mg1865 23:24  Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin’ i Jehovah ihany, dia izay nolazain’ ny vavanao.
Deut Mg1865 23:25  Raha mankany amin’ ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.
Deut Mg1865 23:26  Raha mankany amin’ ny tanimbarin’ ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin’ ny namanao.