GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 39
Gene | Mg1865 | 39:1 | Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan’ i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin’ ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany. | |
Gene | Mg1865 | 39:2 | Ary Jehovah nomba an’ i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon’ ilay Egyptiana tompony izy. | |
Gene | Mg1865 | 39:3 | Ary hitan’ ny tompony fa nomban’ i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin’ i Jehovah avokoa teo aminy. | |
Gene | Mg1865 | 39:4 | Ary Josefa nahita fitia teo imason’ ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny. | |
Gene | Mg1865 | 39:5 | Ary hatramin’ izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nananany dia notahin’ i Jehovah ny tranon’ ilay Egyptiana noho ny amin’ i Josefa; ary ny fitahian’ i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha. | |
Gene | Mg1865 | 39:6 | Dia navelany ho andraikitr’ i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy. | |
Gene | Mg1865 | 39:7 | Ary taorian’ izany ny vadin’ ny tompony nanopy ny masony hijery an’ i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko. | |
Gene | Mg1865 | 39:8 | Dia nandà izy ka nanao tamin’ ny vadin’ ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa. | |
Gene | Mg1865 | 39:9 | Tsy misy lehibe noho izaho raha amin’ ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra? | |
Gene | Mg1865 | 39:10 | Ary na dia niteny tamin’ i Josefa isan’ andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy. | |
Gene | Mg1865 | 39:11 | Ary tamin’ ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’ izay. | |
Gene | Mg1865 | 39:12 | Dia nisambotra azy tamin’ ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko; fa navelan’ i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano. | |
Gene | Mg1865 | 39:13 | Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy, | |
Gene | Mg1865 | 39:14 | dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin’ ny feo mahery aho; | |
Gene | Mg1865 | 39:15 | ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano. | |
Gene | Mg1865 | 39:16 | Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon’ i Josefa, mandra-pahatongan’ ny tompony tao an-trano. | |
Gene | Mg1865 | 39:17 | Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy; | |
Gene | Mg1865 | 39:18 | ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy. | |
Gene | Mg1865 | 39:19 | Ary rehefa ren’ ny tompony ny tenin’ ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon’ ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. | |
Gene | Mg1865 | 39:20 | Ary ny tompon’ i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran’ ny mpifatotra diso tamin’ ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy. | |
Gene | Mg1865 | 39:21 | Nefa Jehovah nomba an’ i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason’ ny mpitandrina ny trano-maizina. | |
Gene | Mg1865 | 39:22 | Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr’ i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. | |