Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOHN
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 16
John Mg1865 16:1  Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.
John Mg1865 16:2  Handroaka anareo hiala amin’ ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon’ izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitra izy.
John Mg1865 16:3  Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.
John Mg1865 16:4  Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan’ androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin’ ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.
John Mg1865 16:5  Fa ankehitriny mankany amin’ izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?
John Mg1865 16:6  Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton’ alahelo ny fonareo.
John Mg1865 16:7  Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.
John Mg1865 16:8  Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:
John Mg1865 16:10  ny fahamarinana, satria mankany amin’ ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
John Mg1865 16:11  ny fitsarana, satria ny andrianan’ izao tontolo izao dia efa voatsara.
John Mg1865 16:12  Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.
John Mg1865 16:13  Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
John Mg1865 16:14  Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
John Mg1865 16:15  Izay rehetra ananan’ ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
John Mg1865 16:16  Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo.
John Mg1865 16:17  Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin’ ny Ray Aho?
John Mg1865 16:18  Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy.
John Mg1865 16:19  Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo?
John Mg1865 16:20  Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.
John Mg1865 16:21  Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin’ ny tany.
John Mg1865 16:22  Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.
John Mg1865 16:23  Ary amin’ izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ ny Ray dia homeny anareo amin’ ny anarako izany.
John Mg1865 16:24  Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
John Mg1865 16:25  Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin’ ny Ray.
John Mg1865 16:26  Amin’ izany andro izany dia hangataka amin’ ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ ny Ray ho anareo;
John Mg1865 16:27  fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho.
John Mg1865 16:28  Eny, nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho ka tonga amin’ izao tontolo izao; ary hiala amin’ izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ ny Ray.
John Mg1865 16:29  Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
John Mg1865 16:30  Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’ Andriamanitra Hianao.
John Mg1865 16:31  Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny?
John Mg1865 16:32  Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko.
John Mg1865 16:33  Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.