EXODUS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
Chapter 8
Exod | Mg1865 | 8:1 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin’ ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta. | |
Exod | Mg1865 | 8:2 | Ary nahinjitr’ i Arona tambonin’ ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta. | |
Exod | Mg1865 | 8:3 | Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa tamin’ ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta. | |
Exod | Mg1865 | 8:4 | Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin’ i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin’ ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah. | |
Exod | Mg1865 | 8:5 | Ary hoy Mosesy tamin’ i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin’ ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy? | |
Exod | Mg1865 | 8:6 | Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitray. | |
Exod | Mg1865 | 8:7 | Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin’ ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy. | |
Exod | Mg1865 | 8:8 | Ary Mosesy sy Arona niala teo amin’ i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin’ i Jehovah ny amin’ ny sahona izay efa nataony tamin’ i Farao. | |
Exod | Mg1865 | 8:9 | Dia nataon’ i Jehovah araka ny tenin’ i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin’ ny trano sy teny amin’ ny tokotany ary tany an-tsaha. | |
Exod | Mg1865 | 8:11 | Fa nony hitan’ i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah. | |
Exod | Mg1865 | 8:12 | Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran’ ny tany Egypta rehetra izany. | |
Exod | Mg1865 | 8:13 | Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr’ i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin’ ny olona sy teny amin’ ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran’ ny tany Egypta rehetra. | |
Exod | Mg1865 | 8:14 | Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy tamin’ ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin’ ny olona sy teny amin’ ny biby fiompy. | |
Exod | Mg1865 | 8:15 | Dia hoy ny ombiasy tamin’ i Farao: Rantsan-tànan’ Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah. | |
Exod | Mg1865 | 8:16 | Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan’ i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin’ ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. | |
Exod | Mg1865 | 8:17 | Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon’ ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa. | |
Exod | Mg1865 | 8:18 | Fa havahako amin’ izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran’ ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan’ ny tany. | |
Exod | Mg1865 | 8:19 | Dia hasiako fiavahana amin’ ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian’ izany famantarana izany. | |
Exod | Mg1865 | 8:20 | Ary nataon’ i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin’ ny tranon’ i Farao sy tao amin’ ny tranon’ ny mpanompony ary teny amin’ ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra. | |
Exod | Mg1865 | 8:21 | Ary Farao nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitrareo eto amin’ ity tany ity. | |
Exod | Mg1865 | 8:22 | Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin’ ny Egyptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin’ ny Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay? | |
Exod | Mg1865 | 8:23 | Handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay. | |
Exod | Mg1865 | 8:24 | Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy. | |
Exod | Mg1865 | 8:25 | Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin’ i Jehovah mba hialan’ ny lalitra amin’ i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i’ Jehovah. | |
Exod | Mg1865 | 8:27 | Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin’ i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin’ i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza. | |