GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 4
Gene | Mg1865 | 4:1 | Ary Adama nahalala an’ i Eva vadiny; dia nanan’ anaka Eva ka niteraka an’ i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin’ i Jehovah aho. | |
Gene | Mg1865 | 4:2 | Ary niteraka an’ i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany. | |
Gene | Mg1865 | 4:3 | Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran’ i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an’ i Jehovah; | |
Gene | Mg1865 | 4:4 | fa nitondran’ i Abela kosa ny voalohan-terak’ ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an’ i Abela mbamin’ ny fanatiny; | |
Gene | Mg1865 | 4:5 | fa Kaina mbamin’ ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny. | |
Gene | Mg1865 | 4:6 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? | |
Gene | Mg1865 | 4:7 | Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy. | |
Gene | Mg1865 | 4:8 | Ary Kaina niteny tamin’ i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an’ i Abela rahalahiny, ka namono azy. | |
Gene | Mg1865 | 4:9 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho? | |
Gene | Mg1865 | 4:10 | Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon’ ny ran’ ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ ny tany. | |
Gene | Mg1865 | 4:11 | Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin’ ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran’ ny rahalahinao nalatsaky ny tananao. | |
Gene | Mg1865 | 4:12 | Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany ianao. | |
Gene | Mg1865 | 4:13 | Dia hoy Kaina tamin’ i Jehovah: Lehibe ny valin’ ny heloko mihoatra noho izay zakako. | |
Gene | Mg1865 | 4:14 | Indro, efa noroahinao hiala amin’ ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy. | |
Gene | Mg1865 | 4:15 | Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an’ i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an’ i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy. | |
Gene | Mg1865 | 4:16 | Ary Kaina dia niala teo anatrehan’ i Jehovah ka nonina tao amin’ ny tany Noda tandrifin’ i Edena. | |
Gene | Mg1865 | 4:17 | Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka an’ i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran’ ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ ny zananilahy. | |
Gene | Mg1865 | 4:18 | Ary Enoka niteraka an’ Irada; ary Irada niteraka an’ i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an’ i Metosaela; ary Metosaela niteraka an’ i Lameka. | |
Gene | Mg1865 | 4:19 | Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran’ ny anankiray Ada, ary ny anaran’ ny anankiray Zila. | |
Gene | Mg1865 | 4:20 | Ary Ada niteraka an’ i Jabala; izy no rain’ ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman’ ondry. | |
Gene | Mg1865 | 4:21 | Ary ny anaran’ ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain’ ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra. | |
Gene | Mg1865 | 4:22 | Ary Zila kosa niteraka an’ i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin’ i Tobala-kaina dia Nama. | |
Gene | Mg1865 | 4:23 | Ary hoy Lameka tamin’ ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin’ i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako. | |
Gene | Mg1865 | 4:24 | Raha valiana fito heny izay mamono an’ i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an’ i Lameka. | |
Gene | Mg1865 | 4:25 | Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’ i Abela, satria novonoin’ i Kaina izy. | |