EPHESIANS
Chapter 5
Ephe | Mg1865 | 5:1 | Koa amin’ izany dia aoka hanahaka an’ Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala; | |
Ephe | Mg1865 | 5:2 | ary mandehana amin’ ny fitiavana, toy ny nitiavan’ i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. | |
Ephe | Mg1865 | 5:3 | Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masìna izany, | |
Ephe | Mg1865 | 5:4 | na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra. | |
Ephe | Mg1865 | 5:5 | Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ ny fanjakan’ i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany). | |
Ephe | Mg1865 | 5:6 | Aza mety hofitahin’ olona amin’ ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana. | |
Ephe | Mg1865 | 5:8 | Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava | |
Ephe | Mg1865 | 5:9 | (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana), | |
Ephe | Mg1865 | 5:11 | Ary aza miray amin’ ny asan’ ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. | |
Ephe | Mg1865 | 5:13 | Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. | |
Ephe | Mg1865 | 5:14 | Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin’ ny maty, Dia hampahazava anao Kristy. | |
Ephe | Mg1865 | 5:15 | Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, | |
Ephe | Mg1865 | 5:17 | Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ ny Tompo. | |
Ephe | Mg1865 | 5:18 | Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’ izany dia misy fanaranam-po amin’ ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy, | |
Ephe | Mg1865 | 5:19 | ka mifampilazà amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ ny Tompo, | |
Ephe | Mg1865 | 5:20 | misaotra an’ Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, | |
Ephe | Mg1865 | 5:23 | Fa ny lahy no lohan’ ny vavy, dia tahaka an’ i Kristy koa no Lohan’ ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. | |
Ephe | Mg1865 | 5:24 | Fa tahaka ny aneken’ ny fiangonana an’ i Kristy no haneken’ ny vavy ny lahy koa amin’ ny zavatra rehetra. | |
Ephe | Mg1865 | 5:25 | Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’ i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, | |
Ephe | Mg1865 | 5:27 | mba horaisiny ho an’ ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masìna sady tsy misy tsiny izy. | |
Ephe | Mg1865 | 5:28 | Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. | |
Ephe | Mg1865 | 5:29 | Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’ i Kristy amin’ ny fiangonana; | |
Ephe | Mg1865 | 5:31 | Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. | |