Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GENESIS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 47
Gene Mg1865 47:1  Ary Josefa nankao amin’ i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny mbamin’ izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin’ ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin’ ny tany Gosena izy.
Gene Mg1865 47:2  Ary ny dimy lahy tamin’ ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan’ i Farao.
Gene Mg1865 47:3  Ary hoy Farao tamin’ ireo rahalahin’ i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin’ i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin’ ny razanay.
Gene Mg1865 47:4  Ary hoy koa izy tamin’ i Farao: Mba hivahiny eto amin’ ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an’ ny ondry aman’ osin’ ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin’ ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin’ ny tany Gosena ny mpanomponao.
Gene Mg1865 47:5  Ary Farao dia niteny tamin’ i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atỳ aminao;
Gene Mg1865 47:6  ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin’ izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin’ ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben’ ny mpiandry ny omby aman’ ondriko.
Gene Mg1865 47:7  Dia nentin’ i Josefa ho eo anatrehan’ i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an’ i Farao.
Gene Mg1865 47:8  Ary hoy Farao tamin’ i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao?
Gene Mg1865 47:9  Dia hoy Jakoba tamin’ i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan’ ny razako tamin’ ny andro nivahiniany.
Gene Mg1865 47:10  Ary Jakoba, rehefa nisaotra an’ i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.
Gene Mg1865 47:11  Dia namponenin’ i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin’ ny tany Egypta, dia tao amin’ ny tany tsara indrindra, tao amin’ ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian’ i Farao.
Gene Mg1865 47:12  Dia novelomin’ i Josefa tamin’ ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin’ ny ankohonan’ ny rainy rehetra, araka ny isan’ ny zanany avy.
Gene Mg1865 47:13  Ary tsy nisy hanina teo amin’ ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.
Gene Mg1865 47:14  Dia nangonin’ i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin’ ny tany Egypta sy tany amin’ ny tany Kanana, dia izay vidin’ ny vary novidin’ ny olona, ka nampidirin’ i Josefa tao an-tranon’ i Farao ny vola.
Gene Mg1865 47:15  Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin’ ny tany Egypta sy tany amin’ ny tany Kanana, dia nankeo amin’ i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
Gene Mg1865 47:16  Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman’ ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
Gene Mg1865 47:17  Dia nentiny tany amin’ i Josefa ny omby aman’ ondriny, ka notakalozan’ i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman’ osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin’ izany taona izany ho takalon’ ny bibiny rehetra.
Gene Mg1865 47:18  Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin’ ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin’ itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan’ itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason’ itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
Gene Mg1865 47:19  nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’ i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.
Gene Mg1865 47:20  Dia notakalozan’ i Josefa ho an’ i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan’ i Farao ny tany.
Gene Mg1865 47:21  Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin’ ny tanàna hatramin’ ny faran’ ny faritr’ i Egypta rehetra.
Gene Mg1865 47:22  Ny tanin’ ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin’ i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen’ i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.
Gene Mg1865 47:23  Dia hoy Josefa tamin’ ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an’ i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
Gene Mg1865 47:24  Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an’ i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’ izay ao an-tranonareo ary hohanin’ ny zanakareo.
Gene Mg1865 47:25  Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason’ itompokolahy izahay, dia ho mpanompon’ i Farao.
Gene Mg1865 47:26  Dia nataon’ i Josefa ho lalana tany amin’ ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an’ i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin’ ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’ i Farao.
Gene Mg1865 47:27  Ary nonina tao amin’ ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin’ ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
Gene Mg1865 47:28  Ary ny andro niainan’ i Jakoba tao amin’ ny tany Egypta dia fito ambin’ ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan’ i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona.
Gene Mg1865 47:29  Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan’ Isiraely, dia nampaka an’ i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin’ ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho.
Gene Mg1865 47:30  Fa rehefa lasa mody mandry any amin’ ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin’ ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.
Gene Mg1865 47:31  Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan’ ny farafara Isiraely.