Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ISAIAH
Prev Up Next
Chapter 1
Isai Mg1865 1:1  Ny fahitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, izay hitany ny amin’ ny Joda sy Jerosalema tamin’ ny andron’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan’ ny Joda.
Isai Mg1865 1:2  Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
Isai Mg1865 1:3  Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon’ ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
Isai Mg1865 1:4  Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’ i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin’ ny Isiraely. Efa nihodina izy.
Isai Mg1865 1:5  Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
Isai Mg1865 1:6  Hatramin’ ny faladia ka hatramin’ ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin’ ny diloilo izy.
Isai Mg1865 1:7  Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin’ ny afo; Ny tany volenareo dia lanin’ ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan’ ny fahavalo.
Isai Mg1865 1:8  Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an’ ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.
Isai Mg1865 1:9  Raha tsy nosisan’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma Ary nitovy tamin’ i Gomora.
Isai Mg1865 1:10  Mandrenesa ny tenin’ i Jehovah, ry mpitsaran’ i Sodoma; Mihainoa ny lalàn’ Andriamanitsika, ry vahoakan’ i Gomora.
Isai Mg1865 1:11  Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran’ ny zanak’ omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran’ ny vantotr’ ombilahy sy ny an’ ny zanak’ ondry ary ny an’ ny osilahy.
Isai Mg1865 1:12  Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
Isai Mg1865 1:13  Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masìna haroharoam-paharatsiana!
Isai Mg1865 1:14  Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan’ ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
Isai Mg1865 1:15  Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran’ olona ny tananareo.
Isai Mg1865 1:16  Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan’ ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
Isai Mg1865 1:17  Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin’ ny mpitondratena.
Isai Mg1865 1:18  Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ ondry fotsy.
Isai Mg1865 1:19  Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany;
Isai Mg1865 1:20  Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin’ ny sabatra: Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
Isai Mg1865 1:21  Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran’ ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
Isai Mg1865 1:22  Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
Isai Mg1865 1:23  Ny lehibenao dia mpiodina sady naman’ ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin’ ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
Isai Mg1865 1:24  Ka dia hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Ilay Maherin’ ny Isiraely: E! hiala fo amin’ ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
Isai Mg1865 1:25  Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin’ ny lavenona ianao hahafahan’ ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.
Isai Mg1865 1:26  Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin’ ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan’ ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
Isai Mg1865 1:27  Ziona havotana amin’ ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin’ ny fahamarinana;
Isai Mg1865 1:28  Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an’ i Jehovah.
Isai Mg1865 1:29  Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin’ ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin’ ny saha izay natokanareo.
Isai Mg1865 1:30  Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
Isai Mg1865 1:31  Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon’ afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.