LEVITICUS
Chapter 15
Levi | Mg1865 | 15:2 | Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany. | |
Levi | Mg1865 | 15:3 | Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany. | |
Levi | Mg1865 | 15:4 | Maloto ny fandriana rehetra izay andrian’ ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany. | |
Levi | Mg1865 | 15:5 | Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro. | |
Levi | Mg1865 | 15:6 | Ary izay mipetraka amin’ ny zavatra izay efa nipetrahan’ ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro. | |
Levi | Mg1865 | 15:7 | Ary izay mikasika ny tenan’ ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro. | |
Levi | Mg1865 | 15:8 | Ary raha misy olona madio voaroran’ ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro | |
Levi | Mg1865 | 15:10 | Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro. | |
Levi | Mg1865 | 15:11 | Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin’ ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro. | |
Levi | Mg1865 | 15:12 | Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin’ ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra. | |
Levi | Mg1865 | 15:13 | Ary raha sitrana amin’ ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin’ ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano mandeha izy, dia hadio. | |
Levi | Mg1865 | 15:14 | Ary amin’ ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin’ ny mpisorona izy. | |
Levi | Mg1865 | 15:15 | Dia haterin’ ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany. | |
Levi | Mg1865 | 15:16 | Ary raha miala amin’ ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin’ ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ ny andro; | |
Levi | Mg1865 | 15:17 | ary hosasana amin’ ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan’ ny azy; dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izany. | |
Levi | Mg1865 | 15:18 | Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin’ ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan’ ny andro. | |
Levi | Mg1865 | 15:19 | Ary raha misy vehivavy mararin’ ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ ny andro. | |
Levi | Mg1865 | 15:20 | Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin’ ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa. | |
Levi | Mg1865 | 15:21 | Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro. | |
Levi | Mg1865 | 15:22 | Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro. | |
Levi | Mg1865 | 15:23 | Ary raha ao amin’ ny fandriana izany, na ao amin’ ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan’ ny andro. | |
Levi | Mg1865 | 15:24 | Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa. | |
Levi | Mg1865 | 15:25 | Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin’ ny andro fahalotoany amin’ ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin’ ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin’ ny andron’ ny faharariany rehetra, tahaka ny amin’ ny andro fahalotoany ihany. | |
Levi | Mg1865 | 15:26 | Ny fandriana rehetra andriany amin’ ny andron’ ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin’ ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin’ ny fadim-bolany. | |
Levi | Mg1865 | 15:27 | Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ ny andro. | |
Levi | Mg1865 | 15:28 | Fa raha sitrana amin’ ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy. | |
Levi | Mg1865 | 15:29 | Ary amin’ ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin’ ny mpisorona, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana. | |
Levi | Mg1865 | 15:30 | Dia haterin’ ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy. | |
Levi | Mg1865 | 15:31 | Dia hampisarahinareo amin’ ny fahalotoany ny Zanak’ Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany. | |
Levi | Mg1865 | 15:32 | Izany no lalàna ny amin’ ny marary mitsika, sy ny amin’ izay ialan’ ny azy, ka mahaloto azy izany, | |