Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
LEVITICUS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 18
Levi Mg1865 18:1  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Levi Mg1865 18:2  Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
Levi Mg1865 18:3  Aza manao araka ny fanaon’ ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon’ ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
Levi Mg1865 18:4  Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Levi Mg1865 18:5  Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’ izany izy: Izaho no Jehovah.
Levi Mg1865 18:6  Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho no Jehovah.
Levi Mg1865 18:7  Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
Levi Mg1865 18:8  Aza mandry amin’ ny renikelinao; fa nandrian’ ny rainao izy.
Levi Mg1865 18:9  Aza mandry amin’ ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
Levi Mg1865 18:10  Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin’ ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian’ izy roa.
Levi Mg1865 18:11  Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
Levi Mg1865 18:12  Aza mandry amin’ ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
Levi Mg1865 18:13  Aza mandry amin’ ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
Levi Mg1865 18:14  Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin’ ny rahalahin-drainao izy.
Levi Mg1865 18:15  Aza mandry amin’ ny vinantovavinao; fa vadin’ ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
Levi Mg1865 18:16  Aza mandry amin’ ny vadin-drahalahinao; fa nandrian’ ny rahalahinao izy.
Levi Mg1865 18:17  Aza mandry amin’ ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin’ ny zananilahy, na ny zanakavavin’ ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
Levi Mg1865 18:18  Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin’ ny rahavaviny izay mbola velona.
Levi Mg1865 18:19  Ary aza mila vehivavy mararin’ ny fadim-bolany handry aminy.
Levi Mg1865 18:20  Ary aza mandry amin’ ny vadin’ ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
Levi Mg1865 18:21  Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’ i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
Levi Mg1865 18:22  Aza mandry amin’ ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
Levi Mg1865 18:23  Ary aza mandry amin’ ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian’ ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
Levi Mg1865 18:24  Aza mandoto ny tenanareo amin’ izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
Levi Mg1865 18:25  Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ ny tany ny mponina eo.
Levi Mg1865 18:26  Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo
Levi Mg1865 18:27  (fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
Levi Mg1865 18:28  mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
Levi Mg1865 18:29  Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Levi Mg1865 18:30  Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin’ izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.