Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ACTS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 26
Acts Mg1865 26:1  Ary hoy Agripa tamin’ i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe:
Acts Mg1865 26:2  Ny amin’ ny zavatra rehetra iampangan’ ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,
Acts Mg1865 26:3  indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin’ ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy.
Acts Mg1865 26:4  Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin’ ny fireneko tany Jerosalema hatramin’ ny voalohany;
Acts Mg1865 26:5  eny, fantany hatramin’ ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin’ ny fivavahantsika.
Acts Mg1865 26:6  Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon’ Andriamanitra tamin’ ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto,
Acts Mg1865 26:7  dia ilay fanantenana andrasan’ ny firenentsika roa ambin’ ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitra andro aman’ alina. Izany fanantenana izany no iampangan’ ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.
Acts Mg1865 26:8  Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?
Acts Mg1865 26:9  Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran’ i Jesosy avy any Nazareta,
Acts Mg1865 26:10  sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masìna no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
Acts Mg1865 26:11  Ary nampijaly azy matetika teo amin’ ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin’ ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin’ ny tanàna any ivelany koa aza.
Acts Mg1865 26:12  Ary tamin’ izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin’ ny lohan’ ny mpisorona,
Acts Mg1865 26:13  koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin’ izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
Acts Mg1865 26:14  Ary rehefa lavo tamin’ ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin’ ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.
Acts Mg1865 26:15  Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao.
Acts Mg1865 26:16  Fa mitsangàna, ka mijoroa amin’ ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’ izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,
Acts Mg1865 26:17  hamonjy anao amin’ ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,
Acts Mg1865 26:18  hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’ izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.
Acts Mg1865 26:19  Ary amin’ izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho;
Acts Mg1865 26:20  fa nambarako voalohany tamin’ izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin’ ny tany Jodia rehetra ary tany amin’ ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin’ Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana.
Acts Mg1865 26:21  Ary izany no nisamboran’ ny Jiosy ahy teo an-kianjan’ ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
Acts Mg1865 26:22  Ary noho ny fitahian’ Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin’ ny kely na amin’ ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain’ ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy,
Acts Mg1865 26:23  fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin’ ny maty ka hitory fahazavana amin’ ny olona Isiraely sy amin’ ny jentilisa.
Acts Mg1865 26:24  Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin’ ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao.
Acts Mg1865 26:25  Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin’ ny fahamarinana sy ny fahononana.
Acts Mg1865 26:26  Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin’ ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin’ ny takona izany.
Acts Mg1865 26:27  Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.
Acts Mg1865 26:28  Fa hoy Agripa tamin’ i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.
Acts Mg1865 26:29  Ary hoy Paoly: Mangataka amin’ Andriamanitra aho, fa na amin’ ny mora, na amin’ ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ ireto gadra ireto ihany.
Acts Mg1865 26:30  Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin’ izay niara-nipetraka teo aminy;
Acts Mg1865 26:31  ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany.
Acts Mg1865 26:32  Ary hoy Agripa tamin’ i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan’ i Kaisara izy.