EXODUS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
Chapter 14
Exod | Mg1865 | 14:2 | Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’ i Pi-hahirota, eo anelanelan’ i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin’ i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron’ ny ranomasina. | |
Exod | Mg1865 | 14:3 | Ary Farao hilaza ny Zanak’ Isiraely hoe: Azon’ ny tamberintany izy ka voahidin’ ny efitra. | |
Exod | Mg1865 | 14:4 | Dia hanamafy ny fon’ i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany. | |
Exod | Mg1865 | 14:5 | Ary nisy nanambara tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon’ i Farao sy ny mpanompony ny amin’ ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin’ ny fanompoany antsika isika? | |
Exod | Mg1865 | 14:6 | Dia nasainy nofehezina tamin’ ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy. | |
Exod | Mg1865 | 14:7 | Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin’ ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra. | |
Exod | Mg1865 | 14:8 | Ary Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, dia nanenjika ny Zanak’ Isiraely izy, na dia tamin’ ny tanana avo aza no nivoahany. | |
Exod | Mg1865 | 14:9 | Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin’ i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron’ ny ranomasina, teo anilan’ i Pi-hahirota, tandrifin’ i Balazefona. | |
Exod | Mg1865 | 14:10 | Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin’ ny Zanak’ Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak’ Isiraely ka nitaraina tamin’ i Jehovah. | |
Exod | Mg1865 | 14:11 | Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? | |
Exod | Mg1865 | 14:12 | Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra. | |
Exod | Mg1865 | 14:13 | Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. | |
Exod | Mg1865 | 14:15 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba handroso. | |
Exod | Mg1865 | 14:16 | Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin’ ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan’ ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely. | |
Exod | Mg1865 | 14:17 | Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon’ ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, | |
Exod | Mg1865 | 14:18 | dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin’ i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. | |
Exod | Mg1865 | 14:19 | Ary Ilay Anjelin’ Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ ny tobin’ ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany | |
Exod | Mg1865 | 14:20 | ka tonga teo anelanelan’ ny tobin’ ny Egyptiana sy ny tobin’ ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina. | |
Exod | Mg1865 | 14:21 | Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan’ i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. | |
Exod | Mg1865 | 14:22 | Dia nandeha teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany. | |
Exod | Mg1865 | 14:23 | Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ ny ranomasina, dia ny soavalin’ i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. | |
Exod | Mg1865 | 14:24 | Ary tamin’ ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin’ ny Egyptiana tao amin’ ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin’ ny Egyptiana. | |
Exod | Mg1865 | 14:25 | Ary nanala ny kodian’ ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan’ ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin’ ny Egyptiana ho an’ ireo. | |
Exod | Mg1865 | 14:26 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin’ ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan’ ny rano amin’ ny Egyptiana mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny. | |
Exod | Mg1865 | 14:27 | Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian’ i Jehovah teo afovoan’ ny ranomasina ny Egyptiana. | |
Exod | Mg1865 | 14:28 | Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’ i Farao rehetra izay niditra teo amin’ ny ranomasina nanenjika ny Zanak’ Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. | |
Exod | Mg1865 | 14:29 | Fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany. | |
Exod | Mg1865 | 14:30 | Izany no namonjen’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ ny Egyptiana; ary hitan’ ny Isiraely teny amoron’ ny ranomasina ny fatin’ ny Egyptiana. | |