Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EXODUS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 20
Exod Mg1865 20:1  Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
Exod Mg1865 20:2  Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
Exod Mg1865 20:4  Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ ny tany ambany, na izay any amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
Exod Mg1865 20:5  Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;
Exod Mg1865 20:6  nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Exod Mg1865 20:7  Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
Exod Mg1865 20:9  Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
Exod Mg1865 20:10  Fa Sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’ izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
Exod Mg1865 20:11  Fa henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ ny andro fahafito; izany no nitahian’ i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
Exod Mg1865 20:12  Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
Exod Mg1865 20:16  Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
Exod Mg1865 20:17  Aza mitsiriritra ny tranon’ ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ ny namanao akory aza.
Exod Mg1865 20:18  Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon’ ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.
Exod Mg1865 20:19  Dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.
Exod Mg1865 20:20  Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan’ ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.
Exod Mg1865 20:21  Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran’ Andriamanitra.
Exod Mg1865 20:22  Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izao no lazaonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.
Exod Mg1865 20:23  Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
Exod Mg1865 20:24  Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao; eo amin’ ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
Exod Mg1865 20:25  Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.
Exod Mg1865 20:26  Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin’ ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.