HEBREWS
Chapter 11
Hebr | Mg1865 | 11:1 | Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. | |
Hebr | Mg1865 | 11:3 | Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’ Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. | |
Hebr | Mg1865 | 11:4 | Finoana no nanateran’ i Abela ho an’ Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’ i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ ny fanatitra nataony: ary amin’ izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany. | |
Hebr | Mg1865 | 11:5 | Finoana no namindrana an’ i Enoka tsy hiharan’ ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’ Andriamanitra; fa talohan’ ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’ Andriamanitra izy. | |
Hebr | Mg1865 | 11:6 | Fa raha tsy amin’ ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. | |
Hebr | Mg1865 | 11:7 | Finoana no nanamboaran’ i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra ny amin’ ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana. | |
Hebr | Mg1865 | 11:8 | Finoana no naneken’ i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’ izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany. | |
Hebr | Mg1865 | 11:9 | Finoana no nivahiniany tany amin’ ny tany nolazain’ ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’ olona, mitoetra an-day, mbamin’ isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy; | |
Hebr | Mg1865 | 11:10 | fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany. | |
Hebr | Mg1865 | 11:11 | Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan’ anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana. | |
Hebr | Mg1865 | 11:12 | Koa dia avy tamin’ ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian’ ny maro toy ny kintana eny amin’ ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa. | |
Hebr | Mg1865 | 11:13 | Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ ny tany izy. | |
Hebr | Mg1865 | 11:14 | Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy. | |
Hebr | Mg1865 | 11:16 | Fa amin’ izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ ireo Izy. | |
Hebr | Mg1865 | 11:17 | Finoana no nanateran i Abrahama an’ isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin’ ilay efa nandray tsara ny teny fikasana, | |
Hebr | Mg1865 | 11:19 | Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin’ izany no nandraisany azy. | |
Hebr | Mg1865 | 11:21 | Finoana no nitsofan’ i Jakoba rano ny zanak’ i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin’ ny lohan’ ny tehiny. | |
Hebr | Mg1865 | 11:22 | Finoana no nilazan’ i Josefa ny fialan’ ny Zanak’ isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin’ ny taolany. | |
Hebr | Mg1865 | 11:23 | Finoana no nanafenan’ ny ray aman-drenin’ i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin’ ny mpanjaka. | |
Hebr | Mg1865 | 11:24 | Finoana no nandavan’ i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’ i Farao, rehefa lehibe izy,― | |
Hebr | Mg1865 | 11:25 | nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ ny olon’ Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ ny fahotana, | |
Hebr | Mg1865 | 11:26 | nanao ny fanaratsiana an’ i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’ i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy. | |
Hebr | Mg1865 | 11:27 | Finoana no nandaovany an’ i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy. | |
Hebr | Mg1865 | 11:28 | Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa. | |
Hebr | Mg1865 | 11:29 | Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman’ ny Egyptiana, ka dia voatelina izy. | |
Hebr | Mg1865 | 11:31 | Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin’ ny fihavanana izy. | |
Hebr | Mg1865 | 11:32 | Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an’ i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany, | |
Hebr | Mg1865 | 11:33 | izay nandresy fanjakana tamin’ ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ ny liona, | |
Hebr | Mg1865 | 11:34 | namono ny fidedadedan’ afo, afaka tamin’ ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ ny firenena hafa. | |
Hebr | Mg1865 | 11:35 | Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra; | |
Hebr | Mg1865 | 11:37 | notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr’ ondry sy hoditr’ osy; efa lao, ory, fadiranovana | |
Hebr | Mg1865 | 11:38 | (nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an’ tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy. | |
Hebr | Mg1865 | 11:39 | Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana, | |