Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MALACHI
Up
1 2 3
Toggle notes
Chapter 1
Mala Mg1865 1:1  Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah nampitondrainy an’ i Malakia ho amin’ ny Isiraely.
Mala Mg1865 1:2  Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin’ i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
Mala Mg1865 1:3  fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an’ ny amboadia any an-efitra.
Mala Mg1865 1:4  Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin’ ny faharatsiana, dia firenena tezeran’ i Jehovah mandrakizay, ireo.
Mala Mg1865 1:5  Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin’ ny Isiraely.
Mala Mg1865 1:6  Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako, nefa manao hoe: Amin’ inona no anamavoanay ny anaranao?
Mala Mg1865 1:7  Amin’ ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin’ inona no andotoanay Anao? Amin’ ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr’ i Jehovah dia fanazimbazimba.
Mala Mg1865 1:8  Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an’ ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 1:9  Koa masìna ianareo, andeha mifona amin’ Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 1:10  Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin’ ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 1:11  Fa hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ ny jentilisa, ary any amin’ ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an’ ny anarako; fa lehibe any amin’ ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 1:12  Fa ianareo kosa manamavo izany amin’ ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’ i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona.
Mala Mg1865 1:13  Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ ny tenanareo va Aho? hoy Jehovah.
Mala Mg1865 1:14  Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin’ ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ ny jentilisa.
Chapter 2
Mala Mg1865 2:1  Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao:
Mala Mg1865 2:2  Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
Mala Mg1865 2:3  Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
Mala Mg1865 2:4  Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan’ ny fanekeko amin’ i Levy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 2:5  Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ ny anarako izy.
Mala Mg1865 2:6  Ny lalàn’ ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin’ ny molony; tamin’ ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin’ ny heloka.
Mala Mg1865 2:7  Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy.
Mala Mg1865 2:8  Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin’ ny lalàna ary namadika ny fanekena amin’ i Levy, hoy Jehovah; Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 2:9  Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan’ ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan’ olona ny amin’ ny lalàna.
Mala Mg1865 2:10  Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin’ ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin’ ny razantsika?
Mala Mg1865 2:11  Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin’ ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin’ i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanaka-vavin’ ny andriamani-kafa.
Mala Mg1865 2:12  Enga anie ka hofongoran’ i Jehovah hiala amin’ ny lain’ i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manatitra fanatitra ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 2:13  Ary faharoan’ izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’ i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin’ ny tananareo Izy.
Mala Mg1865 2:14  Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin’ ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
Mala Mg1865 2:15  Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany? Fa inona andrefa no notadiavin’ ilay anankiray? Taranaka araka an’ Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ ny fahatanorany.
Mala Mg1865 2:16  Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin’ ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.
Mala Mg1865 2:17  Efa manasatra an’ i Jehovah amin’ ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin’ inona moa no anasaranay Azy? Amin’ ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ i Jehovah ka ankasitrahany, na amin’ ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana?
Chapter 3
Mala Mg1865 3:1  Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 3:2  Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ ny mpandrendrika sy ny savonin’ ny mpanasa lamba.
Mala Mg1865 3:3  Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’ i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’ i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
Mala Mg1865 3:4  Dia ho mamin’ i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin’ ny andro fahiny sy toy ny tamin’ ny taona taloha.
Mala Mg1865 3:5  Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ ny karamany mbamin’ ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 3:6  Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak’ i Jakoba, dia tsy fongana.
Mala Mg1865 3:7  Hatramin’ ny andron’ ny razanareo dia efa niala tamin’ ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
Mala Mg1865 3:8  Handroba an’ Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy ianareo: Amin’ inona moa no androbanay Anao? Amin’ ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.
Mala Mg1865 3:9  Voaozona amin’ ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.
Mala Mg1865 3:10  Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’ izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran’ ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
Mala Mg1865 3:11  Ary hasiako teny mafy ny valala noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 3:12  Ary ianareo hataon’ ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 3:13  Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?
Mala Mg1865 3:14  Tamin’ ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an’ Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin’ ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 3:15  Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an’ Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
Mala Mg1865 3:16  Ary tamin’ izany izay natahotra an’ i Jehovah dia samy niresaka tamin’ ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’ i Jehovah sy mihevitra ny anarany.
Mala Mg1865 3:17  Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
Mala Mg1865 3:18  Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’ Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
Mala Mg1865 3:19  Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany.
Mala Mg1865 3:20  Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’ omby mifahy;
Mala Mg1865 3:21  ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin’ ny faladianareo izay amin’ ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Mala Mg1865 3:22  Tsarovinareo ny lelan’ i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.
Mala Mg1865 3:23  Indro, Izaho haniraka an’ i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’ i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;
Mala Mg1865 3:24  ary izay hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ ny fandringanana.