Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II SAMUEL
Prev Up Next
Chapter 19
II S Mg1865 19:1  Ary dia niontana terỳ ny fon’ ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin’ ny efi-trano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!
II S Mg1865 19:2  Ary nambara tamin’ i Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an’ i Absaloma ny mpanjaka.
II S Mg1865 19:3  Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin’ ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren’ ny vahoaka tamin’ izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.
II S Mg1865 19:4  Ka dia niakatra nisokosoko tao an-tanàna ny olona tamin’ izany andro izany, toy ny fisokosokon’ ny olona menatra raha mandositra amin’ ny ady.
II S Mg1865 19:5  Fa ny mpanjaka nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin’ ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako, ry Absaloma, zanako, zanako ô!
II S Mg1865 19:6  Ary niditra tao amin’ ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao androany sy ny ain’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ain’ ny vadinao sy ny vaditsindranonao;
II S Mg1865 19:7  fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao.
II S Mg1865 19:8  Koa mitsangàna ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin’ ny mpanomponao; fa mianiana amin’ i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.
II S Mg1865 19:9  Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin’ ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan’ ny mpanjaka. Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
II S Mg1865 19:10  Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny firenen’ Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin’ ny tanan’ ny fahavalontsika, indrindra fa tamin’ ny tanan’ ny Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin’ ny tany izy noho ny amin’ i Absaloma.
II S Mg1865 19:11  Ary Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka amintsika, dia efa maty tamin’ ny ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny akory ny amin’ ny hampodiana ny mpanjaka?
II S Mg1865 19:12  Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin’ ny loholon’ ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin’ ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin’ ny mpanjaka tao an-tranony
II S Mg1865 19:13  rahalahiko ianareo, ary taolako sy nofoko ianareo; koa nahoana no dia ianareo Indray no ho farany amin’ ny fampodiana ny mpanjaka?
II S Mg1865 19:14  Ary ataovy amin’ i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin’ ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon’ i Joaba ianao.
II S Mg1865 19:15  Ary dia nampitodika ny fon’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda ho toy ny olona iray izy; ka dia naniraka tany amin’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.
II S Mg1865 19:16  Ary dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny mpanjaka hitondra azy hita an’ i Jordana.
II S Mg1865 19:17  Ary Simey, zanak’ i Gera, Benjamita avy any Bahorina, dia nidodododo nidina araka tamin’ ny lehilahy amin’ ny Joda tsena an’ i Davida mpanjaka.
II S Mg1865 19:18  Ary nisy benjamita arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon’ ny taranak’ i Saoly, mbamin’ ny zananilahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompony roa-polo lahy izay nanaraka azy; ary dia nita an’ i Jordana teo alohan’ ny mpanjaka izy ireo.
II S Mg1865 19:19  Ary navoivoy teo ny lakana hampitana ny ankohonan’ ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Ary nony efa hita an’ i Jordana ny mpanjaka, dia indro Simey, zanak’ i Gera, niankohoka teo anatrehany.
II S Mg1865 19:20  Ary hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Aoka tsy hisain’ ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon’ ny mpanomponao tamin’ ny andro nivoahan’ ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin’ ny mpanjaka izany;
II S Mg1865 19:21  fa fantatro, izaho mpanomponao, fa nanota aho; ka he! izaho no avy voalohany androany amin’ ny taranak’ i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko.
II S Mg1865 19:22  Fa namaly Abisay, zanak’ i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr’ i Jehovah izy?
II S Mg1865 19:23  Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin’ ny Isiraely izao? Fa moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan’ ny Isiraely anio?
II S Mg1865 19:24  Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ i simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy.
II S Mg1865 19:25  Ary Mefiboseta, zanakalahin’ i Saoly, nidina hitsena ny mpanjaka, ary tsy nanasa tongotra na namboatra volom-bava na nanasa lamba izy hatramin’ ny andro nialan’ ny mpanjaka ka hatramin’ ny andro nahatongavany soa aman-tsara.
II S Mg1865 19:26  Ary nony efa tonga hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta?
II S Mg1865 19:27  Fa hoy izy: Ry mpanjaka tompoko, nofitahin’ ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin’ ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao.
II S Mg1865 19:28  Nefa nendrikendrehiny tamin’ ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia hoy Ilay Anjelin’ Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao.
II S Mg1865 19:29  Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan’ ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan’ izay mihinana amin’ ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin’ ny mpanjaka?
II S Mg1865 19:30  Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa nilaza hoe: Hianao sy Ziba no hizara ny tany.
II S Mg1865 19:31  Ary hoy Mefiboseta tamin’ ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin’ ny tranonao indray.
II S Mg1865 19:32  Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an’ i Jordana tamin’ ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an’ i Jordana.
II S Mg1865 19:33  Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.
II S Mg1865 19:34  Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema.
II S Mg1865 19:35  Fa hoy Barzilay tamin’ ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin’ ny mpanjaka hankany Jerosalema aho?
II S Mg1865 19:36  Valo-polo taona izay ny andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon’ ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin’ ny mpanjaka tompoko?
II S Mg1865 19:37  Kely foana no handehanan’ ny mpanomponao eo an-dafin’ i Jordana hiaraka amin’ ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany?
II S Mg1865 19:38  Trarantitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho fety any amin’ ny vohitro ao akaikin’ ny fasan’ ikaky sy ineny. Fa indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin’ ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao.
II S Mg1865 19:39  Dia hoy ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay sitrakao, ary izay angatahinao dia hataoko ho anao.
II S Mg1865 19:40  Ary ny vahoaka rehetra nita an’ i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan’ ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin’ ny fonenany izy.
II S Mg1865 19:41  Dia nandroso nankany Gilgala mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin’ ny Isiraely koa nanatitra ny mpanjaka.
II S Mg1865 19:42  Ary, indreo, ny lehilahy rehetra amin’ Isiraely nankao amin’ ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ny lehilahy amin’ ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon’ i Davida rehetra teny aminy hita an’ i Jordana?
II S Mg1865 19:43  Ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda dia namaly ny lehilahy amin’ ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin’ izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy?
II S Mg1865 19:44  Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin’ ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin’ ny mpanjaka; eny, izahay manana an’ i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin’ ny lehilahy amin’ ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.