Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MARK
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 3
Mark Mg1865 3:1  Ary niditra tao amin’ ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty tanana teo.
Mark Mg1865 3:2  Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin’ ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.
Mark Mg1865 3:3  Dia hoy Jesosy tamin’ ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.
Mark Mg1865 3:4  Ary hoy koa Izy tamin’ ny olona: Inona moa no mety hatao amin’ ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.
Mark Mg1865 3:5  Ary nony nijerijery azy tamin’ ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
Mark Mg1865 3:6  Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin’ izay dia niray tetika tamin’ ny Herodiana izy hanohitra an’ i Jesosy mba hahafaty Azy.
Mark Mg1865 3:7  Ary Jesosy mbamin’ ny mpianany niala teo ka nankany amin’ ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia
Mark Mg1865 3:8  sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin’ i Jordana ary tamin’ ny tany manodidina an’ i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.
Mark Mg1865 3:9  Ary Izy nilaza tamin’ ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.
Mark Mg1865 3:10  Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.
Mark Mg1865 3:11  Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak’ Andriamanitra.
Mark Mg1865 3:12  Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.
Mark Mg1865 3:13  Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.
Mark Mg1865 3:14  Ary nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny
Mark Mg1865 3:16  Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
Mark Mg1865 3:17  ary Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona, rahalahin’ i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;
Mark Mg1865 3:18  ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’ i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana
Mark Mg1865 3:20  Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.
Mark Mg1865 3:21  Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
Mark Mg1865 3:22  Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an’ i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia.
Mark Mg1865 3:23  Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon’ i Satana ahoana no famoaka an’ i Satana?
Mark Mg1865 3:24  Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
Mark Mg1865 3:25  Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
Mark Mg1865 3:26  Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.
Mark Mg1865 3:27  Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.
Mark Mg1865 3:28  Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’ olombelona amin’ ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;
Mark Mg1865 3:29  fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin’ ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,
Mark Mg1865 3:30  satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.
Mark Mg1865 3:31  Ary avy ny reniny mbamin’ ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.
Mark Mg1865 3:32  Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.
Mark Mg1865 3:33  Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?
Mark Mg1865 3:34  Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!
Mark Mg1865 3:35  Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.