NUMBERS
Chapter 28
Numb | Mg1865 | 28:2 | Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin’ ny fotoany avy. | |
Numb | Mg1865 | 28:3 | Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin’ ny afo, izay haterinareo ho an’ i Jehovah: zanak’ ondry roa isan’ andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva | |
Numb | Mg1865 | 28:4 | (ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva), | |
Numb | Mg1865 | 28:5 | ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina. | |
Numb | Mg1865 | 28:6 | Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah. | |
Numb | Mg1865 | 28:7 | Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ ny isan-janak’ ondry iray; ao amin’ ny fitoerana masìna no hanidinanao divay ho an’ i Jehovah ho fanatitra aidina. | |
Numb | Mg1865 | 28:8 | Ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah. | |
Numb | Mg1865 | 28:9 | Ary amin’ ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak’ ondry roa izay iray taona’ sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy. | |
Numb | Mg1865 | 28:10 | Fanatitra dorana amin’ ny isan-tSabata izany, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy. | |
Numb | Mg1865 | 28:11 | Ary izao no atero amin’ ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema, | |
Numb | Mg1865 | 28:12 | ary koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin’ ny isan-ondrilahy iray, | |
Numb | Mg1865 | 28:13 | ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin’ ny isan-janak’ ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah. | |
Numb | Mg1865 | 28:14 | Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary ampahatelon’ ny hina ho amin’ ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin’ ny isan-janak’ ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin’ ny isam-bolana, araka ny volana amin’ ny taona. | |
Numb | Mg1865 | 28:15 | Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an’ i Jehovah; ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy. | |
Numb | Mg1865 | 28:16 | Ary ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany dia Paskan’ i Jehovah. | |
Numb | Mg1865 | 28:17 | Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira. | |
Numb | Mg1865 | 28:19 | fa izao no atero ho fanatitra atao amin’ ny afo, dia fanatitra dorana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo). | |
Numb | Mg1865 | 28:20 | ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon’ ny efaha no hiaraka haterinareo amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray, | |
Numb | Mg1865 | 28:21 | ary ampahafolon’ ny efaha no hiaraka haterinao amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry fito), | |
Numb | Mg1865 | 28:23 | Atero ireo ho fanampin’ ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva. | |
Numb | Mg1865 | 28:24 | Araka izany no hanateranareo isan’ andro amin’ ny hafitoana, ho hanina ho an’ i Jehovah, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy. | |
Numb | Mg1865 | 28:25 | Ary amin’ ny andro fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory. | |
Numb | Mg1865 | 28:26 | Ary amin’ ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an’ i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory; | |
Numb | Mg1865 | 28:27 | ary izao no atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak’ ondry fito, izay iray taona avy, | |
Numb | Mg1865 | 28:28 | ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan’ ondrilahy iray, | |
Numb | Mg1865 | 28:29 | ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry iray, dia amin’ ny zanak’ ondry fito) | |