PROVERBS
Chapter 1
Prov | Mg1865 | 1:4 | Hanomezam-pahendrena ho an’ ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ ny zatovo. | |
Prov | Mg1865 | 1:5 | Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara; | |
Prov | Mg1865 | 1:6 | Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony. | |
Prov | Mg1865 | 1:7 | Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy. | |
Prov | Mg1865 | 1:11 | Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny; | |
Prov | Mg1865 | 1:12 | Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka; | |
Prov | Mg1865 | 1:13 | Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika; | |
Prov | Mg1865 | 1:14 | Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra: | |
Prov | Mg1865 | 1:18 | Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy. | |
Prov | Mg1865 | 1:19 | Toy izany no iafaran’ izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’ izay fatra-pila azy izany. | |
Prov | Mg1865 | 1:20 | Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy; | |
Prov | Mg1865 | 1:21 | Mitory ao amin’ izay fivorian’ ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan’ ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe: | |
Prov | Mg1865 | 1:22 | Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana? | |
Prov | Mg1865 | 1:23 | Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko. | |
Prov | Mg1865 | 1:24 | Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina; | |
Prov | Mg1865 | 1:25 | Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: | |
Prov | Mg1865 | 1:26 | Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. | |
Prov | Mg1865 | 1:27 | Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana, | |
Prov | Mg1865 | 1:28 | Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. | |
Prov | Mg1865 | 1:32 | Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy. | |