PROVERBS
Chapter 16
Prov | Mg1865 | 16:1 | Ny fikasan’ ny fo no amin’ ny olona; Fa ny famalian’ ny lela dia avy amin’ i Jehovah. | |
Prov | Mg1865 | 16:2 | Ataon’ ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy. | |
Prov | Mg1865 | 16:4 | Ny zavatra rehetra nataon’ i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin’ ny andro hahitan-doza. | |
Prov | Mg1865 | 16:5 | Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy. | |
Prov | Mg1865 | 16:6 | Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin’ ny heloka; Ary ny fahatahorana an’ i Jehovah no analavirana ny ratsy. | |
Prov | Mg1865 | 16:7 | Raha sitrak’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy. | |
Prov | Mg1865 | 16:8 | Aleo ny kely omban’ ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin’ ny tsy rariny. | |
Prov | Mg1865 | 16:9 | Ny fon’ ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany. | |
Prov | Mg1865 | 16:10 | Ny teny marina dia eo amin’ ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara. | |
Prov | Mg1865 | 16:11 | An’ i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo. | |
Prov | Mg1865 | 16:12 | Fahavetavetana eo imason’ ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan’ ny seza fiandrianana. | |
Prov | Mg1865 | 16:14 | Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany. | |
Prov | Mg1865 | 16:15 | Amin’ ny fahamiramiranan’ ny tarehin’ ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin’ ny fararano. | |
Prov | Mg1865 | 16:16 | Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy. | |
Prov | Mg1865 | 16:17 | Ny manalavitra ny ratsy no lalamben’ ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy. | |
Prov | Mg1865 | 16:18 | Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana. | |
Prov | Mg1865 | 16:19 | Tsara ny malemy fanahy ao amin’ izay manetry tena Noho ny mizara babo amin’ izay miavonavona. | |
Prov | Mg1865 | 16:20 | Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an’ i Jehovah no ho sambatra. | |
Prov | Mg1865 | 16:21 | Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian’ ny molotra mampandroso fahendrena. | |
Prov | Mg1865 | 16:22 | Loharanon’ aina ny fahazavan-tsaina amin’ izay manana izany; Fa ny famaizana ataon’ ny adala dia fahadalana ihany. | |
Prov | Mg1865 | 16:23 | Ny fon’ ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin’ ny molony. | |
Prov | Mg1865 | 16:24 | Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin’ ny fanahy no mahatsara ny taolana. | |
Prov | Mg1865 | 16:25 | Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany. | |
Prov | Mg1865 | 16:27 | Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin’ ny molony. | |
Prov | Mg1865 | 16:28 | Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza. | |
Prov | Mg1865 | 16:30 | Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy. | |
Prov | Mg1865 | 16:31 | Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no ahazoana azy. | |
Prov | Mg1865 | 16:32 | Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra. | |