Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GENESIS
Prev Up Next
Chapter 9
Gene Mg1865 9:1  Ary Andriamanitra nitso-drano an’ i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Gene Mg1865 9:2  Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin’ ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.
Gene Mg1865 9:3  Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
Gene Mg1865 9:4  Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
Gene Mg1865 9:5  Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ ny tanan’ ny manan’ aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ ny tanan’ ny olona, dia eo amin’ ny tanan’ ny olona avy, no hanadinako ny ain’ ny olona.
Gene Mg1865 9:6  Izay mandatsaka ny ran’ olona, dia mba halatsak’ olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik’ Andriamanitra no nanaovany ny olona.
Gene Mg1865 9:7  Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin’ ny tany sy mihabetsaha eny.
Gene Mg1865 9:8  Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Noa sy tamin’ ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
Gene Mg1865 9:9  Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin’ ny taranakareo mandimby anareo
Gene Mg1865 9:10  sy amin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
Gene Mg1865 9:11  Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin’ ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
Gene Mg1865 9:12  Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby:
Gene Mg1865 9:13  Ny avako efa napetrako eo amin’ ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ ny tany.
Gene Mg1865 9:14  Ary raha mampiangona rahona eo ambonin’ ny tany Aho, ka hita eo amin’ ny rahona ny avana,
Gene Mg1865 9:15  dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
Gene Mg1865 9:16  Ary ho eo amin’ ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny zava-manan’ aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
Gene Mg1865 9:17  Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin’ ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
Gene Mg1865 9:18  Ary ny zanakalahin’ i Noa izay izay nivoaka avy tamin’ ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain’ i Kanana.
Gene Mg1865 9:19  Ireo telo lahy ireo no zanak’ i Noa; ary avy tamin’ ireo no nielezan’ ny olona tambonin’ ny tany rehetra.
Gene Mg1865 9:20  Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.
Gene Mg1865 9:21  Ary nisotro tamin’ ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.
Gene Mg1865 9:22  Ary hitan’ i Hama, rain’ i Kanana ny fitanjahan’ ny rainy, dia nambarany tamin’ ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.
Gene Mg1865 9:23  Ary nalain’ i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin’ izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan’ ny rainy.
Gene Mg1865 9:24  Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon’ ny zanany faralahy taminy.
Gene Mg1865 9:25  Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon’ ny rahalahiny izy.
Gene Mg1865 9:26  Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
Gene Mg1865 9:27  Hataon’ Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain’ i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony.
Gene Mg1865 9:28  Ary ny andro niainan’ i Noa taorian’ ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.
Gene Mg1865 9:29  Ary ny andro rehetra niainan’ i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.