Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOHN
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next
Chapter 13
John Mg1865 13:1  Ary talohan’ ny andro firavoravoana tamin’ ny Paska, satria fantatr’ i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’ izao tontolo izao ho any amin’ ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin’ izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ ny farany.
John Mg1865 13:2  Ary raha mbola teo amin’ ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak’ i Simona, efa nomen’ ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
John Mg1865 13:3  sady fantatr’ i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany,
John Mg1865 13:4  dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany;
John Mg1865 13:5  ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ ny lamba famaohana izay nisikinany.
John Mg1865 13:6  Dia nankeo amin’ i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?
John Mg1865 13:7  Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.
John Mg1865 13:8  Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko.
John Mg1865 13:9  Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa.
John Mg1865 13:10  Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
John Mg1865 13:11  Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
John Mg1865 13:12  Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?
John Mg1865 13:13  Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
John Mg1865 13:14  Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
John Mg1865 13:15  Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
John Mg1865 13:16  Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
John Mg1865 13:17  Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.
John Mg1865 13:18  Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masìna hoe: Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy.
John Mg1865 13:19  Hatramin’ izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.
John Mg1865 13:20  Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
John Mg1865 13:21  Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.
John Mg1865 13:22  Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.
John Mg1865 13:23  Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan’ i Jesosy, dia ilay tian’ i Jesosy.
John Mg1865 13:24  Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy.
John Mg1865 13:25  Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin’ ny tratran’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?
John Mg1865 13:26  Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an’ i Jodasy, zanak’ i Simona Iskariota.
John Mg1865 13:27  Ary manaraka izany no nidiran’ i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana.
John Mg1865 13:28  Fa tsy nisy tamin’ izay nipetraka nihinana nahalala ny anton’ ny nilazany izany taminy.
John Mg1865 13:29  Fa nataon’ ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’ i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an’ ny malahelo.
John Mg1865 13:30  Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin’ izay; ary efa alina ny andro.
John Mg1865 13:31  Ary tamin’ izay, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak’ olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy.
John Mg1865 13:32  Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin’ ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin’ izay Izy.
John Mg1865 13:33  Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka ny voalazako tamin’ ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.
John Mg1865 13:34  Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
John Mg1865 13:35  Izany no hahafantaran’ ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
John Mg1865 13:36  Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.
John Mg1865 13:37  Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.
John Mg1865 13:38  Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.