JOHN
Chapter 19
John | Mg1865 | 19:2 | Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy, | |
John | Mg1865 | 19:3 | dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy! sady namely tahamaina Azy izy. | |
John | Mg1865 | 19:4 | Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza. | |
John | Mg1865 | 19:5 | Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin’ ny vahoaka: Indro ny Lehilahy! | |
John | Mg1865 | 19:6 | Ary rehefa hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin’ ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony. | |
John | Mg1865 | 19:7 | Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra. | |
John | Mg1865 | 19:9 | dia niditra tao anati-rova indray izy ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy. | |
John | Mg1865 | 19:10 | Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ ny hazo fijaliana koa? | |
John | Mg1865 | 19:11 | Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa. | |
John | Mg1865 | 19:12 | Ary hatramin’ izany dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan’ i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’ i Kaisara. | |
John | Mg1865 | 19:13 | Ary rehefa ren’ i Pilato izany teny izany, dia nitondra an’ i Jesosy nivoaka izy ka nipetraka teo amin’ ny seza fitsarana teo amin’ ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin’ ny teny Hebreo Gabata | |
John | Mg1865 | 19:14 | ary andro fiomanana amin’ ny Paska ny andro, tokony ho tamin’ ny ora fahenina dia hoy izy tamin’ ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! | |
John | Mg1865 | 19:15 | Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin’ ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan’ ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay. | |
John | Mg1865 | 19:16 | Ary tamin’ izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana. Dia noraisin’ ireo Jesosy; | |
John | Mg1865 | 19:17 | ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Golgota. | |
John | Mg1865 | 19:18 | Teo no nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany. | |
John | Mg1865 | 19:19 | Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin’ ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN’ NY JIOSY. | |
John | Mg1865 | 19:20 | Ary izany anarana izany dia novakin’ ny Jiosy maro, fa akaikin’ ny tanàna ny tany izay nanomboana an’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin’ ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany. | |
John | Mg1865 | 19:21 | Ary noho izany ny lohan’ ny mpisorona tamin’ ny Jiosy dia nanao tamin’ i Pilato hoe; Aza soratana hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy Aho. | |
John | Mg1865 | 19:23 | Ary rehefa voahombon’ ny miaramila tamin’ ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany. | |
John | Mg1865 | 19:24 | Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’ izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masìna manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko. Izany zavatra izany no nataon’ ny miaramila. | |
John | Mg1865 | 19:25 | Ary nijanona teo akaikin’ ny hazo fijalian’ i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin’ i Klopa, sy Maria Magdalena. | |
John | Mg1865 | 19:26 | Ary nony hitan’ i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao! | |
John | Mg1865 | 19:27 | Ary hoy koa Izy tamin’ ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin’ izany ora izany dia noraisin’ ilay mpianatra ho any aminy izy. | |
John | Mg1865 | 19:28 | Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’ i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’ izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masìna, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho. | |
John | Mg1865 | 19:29 | Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ ny hysopa ka nataony tamin’ ny vavany. | |
John | Mg1865 | 19:30 | Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. | |
John | Mg1865 | 19:31 | Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin’ i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon’ ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin’ ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany. | |
John | Mg1865 | 19:32 | Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ ny voalohany sy ny an’ ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana. | |
John | Mg1865 | 19:33 | Fa nony nankeo amin’ i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony. | |
John | Mg1865 | 19:34 | Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’ izay dia nisy rà sy rano nandeha. | |
John | Mg1865 | 19:35 | Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. | |
John | Mg1865 | 19:36 | Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masìna hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany. | |
John | Mg1865 | 19:38 | Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr’ i Jesosy izy, nefa tamin’ ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin’ i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin’ i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin’ i Jesosy. | |
John | Mg1865 | 19:39 | Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin’ i Jesosy nony alina tamin’ ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra. | |
John | Mg1865 | 19:40 | Dia noraisiny ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin’ ny zava-manitra, araka ny fanaon’ ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina. | |
John | Mg1865 | 19:41 | Ary nisy saha teo amin’ ilay nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana; ary teo anatin’ ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona. | |