ACTS
Chapter 4
Acts | Mg1865 | 4:1 | Ary raha mbola niteny tamin’ ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo; | |
Acts | Mg1865 | 4:2 | fa sosotra izy noho ny nampianaran’ ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin’ ny alalan’ i Jesosy ny fitsanganana amin’ ny maty. | |
Acts | Mg1865 | 4:3 | Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain’ ny andro; fa efa hariva ny andro tamin’ izay. | |
Acts | Mg1865 | 4:4 | Kanefa maro tamin’ izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan’ ny lehilahy. | |
Acts | Mg1865 | 4:5 | Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna | |
Acts | Mg1865 | 4:6 | sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin’ izay rehetra mety ho havan’ ny mpisoronabe. | |
Acts | Mg1865 | 4:7 | Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany? | |
Acts | Mg1865 | 4:8 | Ary Petera, feno ny Fanahy Masìna, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona, | |
Acts | Mg1865 | 4:9 | raha adinina izahay anin’ ny amin’ ny asa tsara natao tamin’ ny nahasitranana ilay lehilahy malemy, | |
Acts | Mg1865 | 4:10 | dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’ io lehilahy io finaritra eto imasonareo. | |
Acts | Mg1865 | 4:12 | Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. | |
Acts | Mg1865 | 4:13 | Ary nony nahita ny fahasahisahian’ i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy roa lahy. | |
Acts | Mg1865 | 4:14 | Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny. | |
Acts | Mg1865 | 4:15 | Ary rehefa nasainy niala teo amin’ ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy | |
Acts | Mg1865 | 4:16 | ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina. | |
Acts | Mg1865 | 4:17 | Fa mba tsy hielezan’ izany intsony amin’ ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin’ izany anarana izany intsony na amin’ iza na amin’ iza. | |
Acts | Mg1865 | 4:18 | Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin’ ny anaran’ i Jesosy intsony. | |
Acts | Mg1865 | 4:19 | Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason’ Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. | |
Acts | Mg1865 | 4:21 | Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an’ Andriamanitra noho ny amin’ ny zavatra efa natao. | |
Acts | Mg1865 | 4:22 | Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany. | |
Acts | Mg1865 | 4:23 | Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin’ ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona taminy. | |
Acts | Mg1865 | 4:24 | Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin’ Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny, | |
Acts | Mg1865 | 4:25 | ary ny Fanahy Masìna no nampitenenanao an’ i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? | |
Acts | Mg1865 | 4:26 | Ireo mpanjakan’ ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany. | |
Acts | Mg1865 | 4:27 | Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masìna, dia Jesosy Izay nohosoranao, | |
Acts | Mg1865 | 4:29 | Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ ny fahasahiana rehetra, | |
Acts | Mg1865 | 4:30 | omban’ ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ ny anaran’ i Jesosy, Mpanomponao Masìna. | |
Acts | Mg1865 | 4:31 | Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masìna izy rehetra ka nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahasahiana. | |
Acts | Mg1865 | 4:32 | Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany. | |
Acts | Mg1865 | 4:33 | Ary tamin’ ny hery be no nanambaran’ ny Apostoly ny nitsanganan’ i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’ izy rehetra. | |
Acts | Mg1865 | 4:34 | Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin’ ny zavatra lafo, | |
Acts | Mg1865 | 4:35 | ka napetrany teo anoloan’ ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avy | |
Acts | Mg1865 | 4:36 | Ary Josefa, izay nataon’ ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany, | |