PROVERBS
Chapter 3
Prov | Mg1865 | 3:3 | Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka, | |
Prov | Mg1865 | 3:4 | Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao. | |
Prov | Mg1865 | 3:10 | Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao. | |
Prov | Mg1865 | 3:12 | Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany. | |
Prov | Mg1865 | 3:14 | Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. | |
Prov | Mg1865 | 3:15 | Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. | |
Prov | Mg1865 | 3:16 | Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia. | |
Prov | Mg1865 | 3:18 | Hazon’ aina ho an’ izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra. | |
Prov | Mg1865 | 3:19 | Fahendrena no nanorenan’ i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra. | |
Prov | Mg1865 | 3:20 | Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin’ ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin’ ny rahona. | |
Prov | Mg1865 | 3:21 | Anaka, aoka tsy hiala amin’ ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava, | |
Prov | Mg1865 | 3:25 | Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany; | |
Prov | Mg1865 | 3:27 | Aza mamihina ny soa amin’ izay tokony homena azy, Raha azon’ ny tananao atao ihany; | |
Prov | Mg1865 | 3:28 | Aza manao amin’ ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao. | |
Prov | Mg1865 | 3:29 | Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy. | |
Prov | Mg1865 | 3:32 | Satria fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin’ ny marina kosa ny fisakaizany. | |
Prov | Mg1865 | 3:33 | Ny ozon’ i Jehovah dia ao an-tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan’ ny marina dia tahìny kosa. | |
Prov | Mg1865 | 3:34 | Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra. | |