PROVERBS
Chapter 6
Prov | Mg1865 | 6:2 | Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao, | |
Prov | Mg1865 | 6:3 | Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan’ ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ ny namanao. | |
Prov | Mg1865 | 6:5 | Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’ izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin’ ny tanan’ ny mpamandrika. | |
Prov | Mg1865 | 6:8 | Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin’ ny fararano. | |
Prov | Mg1865 | 6:9 | Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ ny torimasonao ianao? | |
Prov | Mg1865 | 6:10 | Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory, | |
Prov | Mg1865 | 6:11 | Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy. | |
Prov | Mg1865 | 6:13 | Izay mami-maso sy manao famantarana amin’ ny tongony Ary manao baiko amin’ ny rantsan-tànany; | |
Prov | Mg1865 | 6:15 | Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana. | |
Prov | Mg1865 | 6:19 | Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ ny rahalahy. | |
Prov | Mg1865 | 6:22 | Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao. | |
Prov | Mg1865 | 6:24 | Hiarovana anao amin’ ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin’ ny fandroboan’ ny lelan’ ny vahiny janga. | |
Prov | Mg1865 | 6:25 | Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin’ ny hodimasony izy. | |
Prov | Mg1865 | 6:26 | Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan’ ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin’ ny vadin’ ny olona no mihaza ny aina soa. | |
Prov | Mg1865 | 6:29 | Dia toy izany izay mankamin’ ny vadin’ ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy. | |
Prov | Mg1865 | 6:30 | Tsy avelan’ ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza; | |
Prov | Mg1865 | 6:31 | Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony. | |
Prov | Mg1865 | 6:32 | Izay mijangajanga amin’ ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany. | |
Prov | Mg1865 | 6:34 | Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin’ ny andro hamaliany. | |