GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 37
Gene | Mg1865 | 37:1 | Ary Jakoba nonina tany amin’ ny tany fivahinian’ ny rainy, dia tany amin’ ny tany Kanana. | |
Gene | Mg1865 | 37:2 | Ary izao no tantaran’ i Jakoba: Rehefa fito ambin’ ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin’ ny zanak’ i Bila sy ny zanak’ i Zilpa, vadin’ i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy. | |
Gene | Mg1865 | 37:3 | Ary tian’ Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava. | |
Gene | Mg1865 | 37:4 | Ary nony hitan’ ny rahalahiny fa Josefa no tian’ ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy. | |
Gene | Mg1865 | 37:5 | Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin’ ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany. | |
Gene | Mg1865 | 37:7 | Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ ny amboarako. | |
Gene | Mg1865 | 37:8 | Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy. | |
Gene | Mg1865 | 37:9 | Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ ny folo niankohoka teo anatrehako. | |
Gene | Mg1865 | 37:10 | Ary nambarany tamin’ ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao? | |
Gene | Mg1865 | 37:13 | Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy: Inty Aho. | |
Gene | Mg1865 | 37:14 | Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman’ osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin’ ny lohasahan’ i Hebrona izy, dia nankany Sekema. | |
Gene | Mg1865 | 37:15 | Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao? | |
Gene | Mg1865 | 37:16 | Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry. | |
Gene | Mg1865 | 37:17 | Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana. | |
Gene | Mg1865 | 37:18 | Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy. | |
Gene | Mg1865 | 37:20 | Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin’ ny anankiray amin’ ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin’ ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin’ izany na hanao ahoana ny nofiny. | |
Gene | Mg1865 | 37:21 | Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin’ ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika. | |
Gene | Mg1865 | 37:22 | Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin’ io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin’ ny tanan’ ny rahalahiny hitondrany azy any amin’ ny rainy indray. | |
Gene | Mg1865 | 37:23 | Ary rehefa tonga teo amin’ ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy; | |
Gene | Mg1865 | 37:24 | dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin’ izay, fa tsy nisy rano tao. | |
Gene | Mg1865 | 37:25 | Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta. | |
Gene | Mg1865 | 37:26 | Ary hoy Joda tamin’ ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika? | |
Gene | Mg1865 | 37:27 | Andeha hamidintsika amin’ ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny. | |
Gene | Mg1865 | 37:28 | Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin’ ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin’ ny Isimaelita; ary dia nitondra an’ i Josefa ho any Egypta ireo. | |
Gene | Mg1865 | 37:29 | Dia niverina nankeo amin’ ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy. | |
Gene | Mg1865 | 37:30 | Dia niverina nankeo amin’ ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako? | |
Gene | Mg1865 | 37:31 | Ary nalain’ ireo rahalahiny ilay akanjon’ i Josefa, dia namono zanak’ osy izy, ka natsobony tamin’ ny rà ny akanjo. | |
Gene | Mg1865 | 37:32 | Dia nampanateriny ho any amin’ ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon’ ny zanakao ity, na tsia? | |
Gene | Mg1865 | 37:33 | Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon’ ny zanako io: efa lanin’ ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa. | |
Gene | Mg1865 | 37:34 | Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin’ ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro. | |
Gene | Mg1865 | 37:35 | Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin’ ny zanako any amin’ ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy. | |