PROVERBS
Chapter 8
Prov | Mg1865 | 8:3 | Eo anilan’ ny vavahady, amin’ ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe: | |
Prov | Mg1865 | 8:7 | Fa ny marina ihany no holazain’ ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin’ ny molotro. | |
Prov | Mg1865 | 8:9 | Miharihary avokoa izy, raha amin’ ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin’ ny efa nahazo fahalalana. | |
Prov | Mg1865 | 8:10 | Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina. | |
Prov | Mg1865 | 8:11 | Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy. | |
Prov | Mg1865 | 8:12 | Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan’ ny fahalalako ny fisainana mazava. | |
Prov | Mg1865 | 8:13 | Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’ i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa. | |
Prov | Mg1865 | 8:16 | Izaho no anapahan’ ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin’ ny tany. | |
Prov | Mg1865 | 8:19 | Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan’ ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina. | |
Prov | Mg1865 | 8:20 | Amin’ ny alehan’ ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ ny lalan’ ny fitsarana marina, | |
Prov | Mg1865 | 8:22 | Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ ny alehany, Ho voalohany amin’ ny asany hatramin’ ny taloha. | |
Prov | Mg1865 | 8:23 | Izaho notendreny hatramin’ ny fahagola, Eny, hatramin’ ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany. | |
Prov | Mg1865 | 8:24 | Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be, | |
Prov | Mg1865 | 8:25 | Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho, | |
Prov | Mg1865 | 8:26 | Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan’ ny vovo-tany ambonin’ izao rehetra izao. | |
Prov | Mg1865 | 8:27 | Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin’ ny lalina Izy, | |
Prov | Mg1865 | 8:28 | Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon’ ny lalina, | |
Prov | Mg1865 | 8:29 | Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany, | |
Prov | Mg1865 | 8:30 | Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan’ andro isan’ andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; | |
Prov | Mg1865 | 8:31 | Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak’ olombelona. | |
Prov | Mg1865 | 8:34 | Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ ny tolam-baravarako. | |