Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MARK
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 12
Mark Mg1865 12:1  Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.
Mark Mg1865 12:2  Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka.
Mark Mg1865 12:3  Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.
Mark Mg1865 12:4  Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.
Mark Mg1865 12:5  Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.
Mark Mg1865 12:6  Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
Mark Mg1865 12:7  Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.
Mark Mg1865 12:8  Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan’ ny tanim-boaloboka.
Mark Mg1865 12:9  Koa ahoana no hataon’ ny tompon’ ny tanim-boaloboka amin’ izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.
Mark Mg1865 12:10  Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masìna izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;
Mark Mg1865 12:11  Avy tamin’ i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika?
Mark Mg1865 12:12  Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany; dia nandao an’ i Jesosy ny olona ka lasa.
Mark Mg1865 12:13  Ary nirahiny hankeo amin’ i Jesosy ny sasany avy tamin’ ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin’ ny teniny.
Mark Mg1865 12:14  Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan’ olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?
Mark Mg1865 12:15  Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.
Mark Mg1865 12:16  Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An’ iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An’ i Kaisara.
Mark Mg1865 12:17  Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.
Mark Mg1865 12:18  Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:
Mark Mg1865 12:19  Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Mark Mg1865 12:20  Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
Mark Mg1865 12:21  Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa.
Mark Mg1865 12:22  Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran’ izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
Mark Mg1865 12:23  Koa amin’ ny fitsanganan’ ny maty, ho vadin’ iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
Mark Mg1865 12:24  Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna sy ny herin’ Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?
Mark Mg1865 12:25  Fa amin’ ny hitsanganana amin’ ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Mark Mg1865 12:26  Ka ny amin’ ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin’ ny bokin’ i Mosesy, eo amin’ ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan’ Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba?
Mark Mg1865 12:27  Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ ny velona; koa diso indrindra ianareo.
Mark Mg1865 12:28  Dia nanatona an’ i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin’ ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin’ izy rehetra?
Mark Mg1865 12:29  Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;
Mark Mg1865 12:30  koa tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.
Mark Mg1865 12:31  Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
Mark Mg1865 12:32  Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.
Mark Mg1865 12:33  Ary ny ho tia Azy amin’ ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
Mark Mg1865 12:34  Ary raha hitan’ i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’ Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
Mark Mg1865 12:35  Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain’ ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak’ i Davida?
Mark Mg1865 12:36  Kanefa ny tenan’ i Davida dia nampilazain’ ny Fanahy Masìna hoe: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Mark Mg1865 12:37  Ny tenan’ i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin’ ny hafaliana.
Mark Mg1865 12:38  Ary hoy Izy amin’ ny fampianarany: Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain’ olona eny an-tsena,
Mark Mg1865 12:39  ary tia ny fipetrahana aloha ao amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin’ ny fanasana,
Mark Mg1865 12:40  ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
Mark Mg1865 12:41  Ary raha nipetraka tandrifin’ ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.
Mark Mg1865 12:42  Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely roa an-kevitry ny variroaventy avy.
Mark Mg1865 12:43  Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ ny fandatsahan-drakitra.
Mark Mg1865 12:44  Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ ny haben’ ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin’ ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.