Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MATTHEW
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 8
Matt Mg1865 8:1  Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.
Matt Mg1865 8:2  Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
Matt Mg1865 8:3  Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin’ ny habokany niaraka tamin’ izay izy.
Matt Mg1865 8:4  Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’ i Mosesy ho vavolombelona amin’ ireo.
Matt Mg1865 8:5  Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy
Matt Mg1865 8:6  nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin’ ny paralysisa ka mijaly loatra.
Matt Mg1865 8:7  Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.
Matt Mg1865 8:8  Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
Matt Mg1865 8:9  Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin’ ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin’ ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin’ ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.
Matt Mg1865 8:10  Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin’ izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ ny Isiraely aza.
Matt Mg1865 8:11  Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra;
Matt Mg1865 8:12  fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin’ ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Matt Mg1865 8:13  Ary Jesosy niteny tamin’ ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’ izany ora izany ilay ankizilahy.
Matt Mg1865 8:14  Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin’ i Petera nandry teo nanavin’ ny tazo.
Matt Mg1865 8:15  Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.
Matt Mg1865 8:16  Ary nony hariva ny andro, dia nentin’ ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,
Matt Mg1865 8:17  mba, hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.
Matt Mg1865 8:18  Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.
Matt Mg1865 8:19  Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.
Matt Mg1865 8:20  Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny lohany.
Matt Mg1865 8:21  Ary nisy hafa koa tamin’ ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
Matt Mg1865 8:22  Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.
Matt Mg1865 8:23  Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany.
Matt Mg1865 8:24  Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.
Matt Mg1865 8:25  Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!
Matt Mg1865 8:26  Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.
Matt Mg1865 8:27  Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!
Matt Mg1865 8:28  Ary nony tonga teny am-pita teo amin’ ny tanin’ ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin’ ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin’ izany lalana izany.
Matt Mg1865 8:29  Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak’ Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan’ ny fotoana?
Matt Mg1865 8:30  Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.
Matt Mg1865 8:31  Ary ny demonia nifona tamin’ i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin’ ireo kisoa andiany ireo.
Matt Mg1865 8:32  Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin’ ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin’ ny hantsana ho any amin’ ny ranomasina, ka dia maty tany anatin’ ny rano.
Matt Mg1865 8:33  Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin’ ireo demoniaka.
Matt Mg1865 8:34  Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an’ i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin’ ny fari-taniny.