JOB
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Chapter 30
Job | Mg1865 | 30:1 | Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza. | |
Job | Mg1865 | 30:3 | Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana. | |
Job | Mg1865 | 30:4 | Mitsongo anambodihena eo amin’ ny kirihitrala izy, ary ny fakan’ ny anjavidy no fihinany. | |
Job | Mg1865 | 30:6 | Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato. | |
Job | Mg1865 | 30:8 | Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin’ ny tany. | |
Job | Mg1865 | 30:10 | Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy. | |
Job | Mg1865 | 30:11 | Fa noketrahin’ Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin’ iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny. | |
Job | Mg1865 | 30:12 | Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko. | |
Job | Mg1865 | 30:13 | Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy, | |
Job | Mg1865 | 30:14 | Toy ny fiditra eo amin’ ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin’ ny voarava no imaonany. | |
Job | Mg1865 | 30:15 | Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy | |
Job | Mg1865 | 30:17 | Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo. | |
Job | Mg1865 | 30:18 | Noho ny haben’ ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany. | |
Job | Mg1865 | 30:19 | Eny, nanary ahy teo amin’ ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho | |
Job | Mg1865 | 30:20 | Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana. | |
Job | Mg1865 | 30:22 | Aingainao ho eny amin’ ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin’ ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho. | |
Job | Mg1865 | 30:23 | Fa fantatro fa hampodinao any amin’ ny fahafatesana aho, dia any amin’ ny trano fivorian’ ny olombelona rehetra. | |
Job | Mg1865 | 30:24 | Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran’ ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? | |
Job | Mg1865 | 30:26 | Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina. | |
Job | Mg1865 | 30:28 | Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian’ ny olona. | |
Job | Mg1865 | 30:30 | Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako. | |