Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EXODUS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 37
Exod Mg1865 37:1  Ary Bezalila nanao ny fiara tamin’ ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;
Exod Mg1865 37:2  ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
Exod Mg1865 37:3  Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin’ ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin’ ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin’ ny lafiny iray koa.
Exod Mg1865 37:4  Ary nanao bao tamin’ ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena.
Exod Mg1865 37:5  Ary nampidiriny ny bao ho eo amin’ ny vava vola, izay eo amin’ ny lafin’ ny fiara, hilanjana azy.
Exod Mg1865 37:6  Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin’ ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
Exod Mg1865 37:7  Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin’ ny lohany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana:
Exod Mg1865 37:8  dia ny kerobima iray nataony teo amin’ ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin’ ny sakany anankiray: indray mivofy tamin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin’ ny sakany roa.
Exod Mg1865 37:9  Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan’ ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
Exod Mg1865 37:10  Ary nanao ny latabatra tamin’ ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
Exod Mg1865 37:11  Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.
Exod Mg1865 37:12  Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.
Exod Mg1865 37:13  Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin’ ny zorony efatra, izay eo amin’ ny tongony efatra, ireo:
Exod Mg1865 37:14  eo akaikin’ ny sisiny no nisian’ ny vava vola ho fitoeran’ ny bao hilanjana ny latabatra.
Exod Mg1865 37:15  Ary nanao ny bao tamin’ ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.
Exod Mg1865 37:16  Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin’ ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.
Exod Mg1865 37:17  Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin’ ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
Exod Mg1865 37:18  Ary nisy sampany enina tamin’ ny ankilany roa, dia sampany telo tamin’ ny fanaovan-jiro amin’ ny ankilany iray, ary sampany telo tamin’ ny fanaovan-jiro amin’ ny ankilany iray koa;
Exod Mg1865 37:19  teo amin’ ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin’ ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ ny sampany enina tamin’ ny fanaovan-jiro.
Exod Mg1865 37:20  Ary teo amin’ ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny,
Exod Mg1865 37:21  dia kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin’ ny sampany enina izay miray amin’ ny fanaovan-jiro.
Exod Mg1865 37:22  Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin’ ny volamena tsara izy rehetra.
Exod Mg1865 37:23  Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin’ ny volamena tsara izy.
Exod Mg1865 37:24  Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy.
Exod Mg1865 37:25  Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.
Exod Mg1865 37:26  Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
Exod Mg1865 37:27  Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin’ ny koronosiny, ka nataony teo amin’ ny zorony efatra ireo ho fitoeran’ ny bao hilanjana azy.
Exod Mg1865 37:28  Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.
Exod Mg1865 37:29  Ary nanao ny diloilo fanosorana masìna izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra.