GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 49
Gene | Mg1865 | 49:1 | Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany. | |
Gene | Mg1865 | 49:2 | Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin’ i Jakoba, eny, mihainoa an’ Isiraely rainareo: | |
Gene | Mg1865 | 49:3 | Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery. | |
Gene | Mg1865 | 49:4 | Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin’ ny fandrian’ ny rainao ianao, tamin’ izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany! | |
Gene | Mg1865 | 49:6 | Aza mankeo amin’ izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin’ ny fiangonany, ry fanahiko; fa tamin’ ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin’ ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby. | |
Gene | Mg1865 | 49:7 | Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin’ i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin’ Isiraely. | |
Gene | Mg1865 | 49:8 | Ry JODA, hoderain’ ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin’ ny vozon’ ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao. | |
Gene | Mg1865 | 49:9 | Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy! | |
Gene | Mg1865 | 49:10 | Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena. | |
Gene | Mg1865 | 49:11 | Mamatotra ny borikiny tanora eo amin’ ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin’ ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin’ ny divay izy, ary ny akanjony tamin’ ny ram-boaloboka. | |
Gene | Mg1865 | 49:13 | ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin’ i Sidona. | |
Gene | Mg1865 | 49:15 | Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra. | |
Gene | Mg1865 | 49:17 | Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin’ ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy. | |
Gene | Mg1865 | 49:20 | ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian’ ny hanim-pin’ andriana. | |
Gene | Mg1865 | 49:22 | JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy. | |
Gene | Mg1865 | 49:24 | Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin’ ny tànan’ Ilay Maherin’ i Jakoba, dia avy ao amin’ ny Mpiandry, Izay Vatolampin’ ny Isiraely, | |
Gene | Mg1865 | 49:25 | Avy amin’ ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin’ ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin’ ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin’ ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ ny nono sy ny kibo. | |
Gene | Mg1865 | 49:26 | Ny tso-dranon’ ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin’ ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan’ i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny. | |
Gene | Mg1865 | 49:27 | BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo. | |
Gene | Mg1865 | 49:28 | Ireo rehetra ireo no firenen’ ny Isiraely roa ambin’ ny folo; ary izany no nolazain’ ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy. | |
Gene | Mg1865 | 49:29 | Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin’ ny razako; aleveno ao amin’ ny razako aho, dia ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny sahan’ i Efrona Hetita, | |
Gene | Mg1865 | 49:30 | ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny saha Makpela, izay tandrifin’ i Mamre, any amin’ ny tany Kanana, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana. | |
Gene | Mg1865 | 49:31 | Tao no nandevenany an’ i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an’ Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an’ i Lea, | |