Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
NUMBERS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 1
Numb Mg1865 1:1  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay, tao amin’ ny trano-lay fihaonana tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanao hoe:
Numb Mg1865 1:2  Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
Numb Mg1865 1:3  dia ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
Numb Mg1865 1:4  Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan’ ny fianakaviany avy.
Numb Mg1865 1:5  Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin’ i Robena dia Elizora, zanak’ i Sedeora;
Numb Mg1865 1:6  ny avy amin’ i Simeona dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday;
Numb Mg1865 1:7  ny avy amin’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;
Numb Mg1865 1:8  ny avy amin’ Isakara dia Netanela, zanak’ i Zoara;
Numb Mg1865 1:9  ny avy amin’ i Zebolona dia Eliaba, zanak’ i Helona;
Numb Mg1865 1:10  ny avy amin’ ny zanak’ i Josefa dia Elisama, zanak’ i Amihoda, avy amin’ i Efraima, ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, avy amin’ i Manase kosa;
Numb Mg1865 1:11  ny avy amin’ i Benjamina dia Abidana, zanak’ i Gideony;
Numb Mg1865 1:12  ny avy amin’ i Dana dia Ahiezera, zanak’ i Amisaday;
Numb Mg1865 1:13  ny avy amin’ i Asera dia Fagiela, zanak’ i Okrana;
Numb Mg1865 1:14  ny avy amin’ i Gada dia Eliasafa, zanak’ i Doela;
Numb Mg1865 1:15  ny avy amin’ i Naftaly dia Ahira, zanak’ i Enana.
Numb Mg1865 1:16  Ireo no voafidin’ ny fiangonana, dia samy lohan’ ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin’ ny Isiraely.
Numb Mg1865 1:17  Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
Numb Mg1865 1:18  dia namory ny fiangonana rehetra tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.
Numb Mg1865 1:19  Araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr’ Sinay.
Numb Mg1865 1:20  Ary tamin’ ny taranak’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
Numb Mg1865 1:21  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
Numb Mg1865 1:22  Ary tamin’ ny taranak’ i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
Numb Mg1865 1:23  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
Numb Mg1865 1:24  Ary tamin’ ny taranak’ i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Numb Mg1865 1:25  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
Numb Mg1865 1:26  Ary tamin’ ny taranak’ i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Numb Mg1865 1:27  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
Numb Mg1865 1:28  Ary tamin’ ny taranak’ Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Numb Mg1865 1:29  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
Numb Mg1865 1:30  Ary tamin’ ny taranak’ i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Numb Mg1865 1:31  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
Numb Mg1865 1:32  Ary tamin’ ny taranak’ i Josefa: dia avy tamin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Numb Mg1865 1:33  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
Numb Mg1865 1:34  ary tamin’ ny taranak’ i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Numb Mg1865 1:35  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
Numb Mg1865 1:36  Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Numb Mg1865 1:37  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
Numb Mg1865 1:38  Ary tamin’ ny taranak’ i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Numb Mg1865 1:39  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
Numb Mg1865 1:40  Ary tamin’ ny taranak’ i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika
Numb Mg1865 1:41  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
Numb Mg1865 1:42  Ary tamin’ ny taranak’ i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Numb Mg1865 1:43  izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
Numb Mg1865 1:44  Ireo no voalamin’ i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin’ ny folo lahy lehibe amin’ ny Isiraely, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy.
Numb Mg1865 1:45  Ary izay rehetra avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin’ ny Isiraely,
Numb Mg1865 1:46  dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
Numb Mg1865 1:47  Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan’ ireo.
Numb Mg1865 1:48  Fa Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numb Mg1865 1:49  Ny firenen’ ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ ny Zanak’ Isiraely;
Numb Mg1865 1:50  fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
Numb Mg1865 1:51  Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Numb Mg1865 1:52  Dia hitoby ny Zanak’ Isiraely, samy eo amin’ ny tobiny avy, ary samy eo amin’ ny fanevany ary, araka ny antokony.
Numb Mg1865 1:53  Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
Numb Mg1865 1:54  Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataony.