Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
NUMBERS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 2
Numb Mg1865 2:1  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
Numb Mg1865 2:2  Samy eo amin’ ny fanevany sy eo amin’ ny faneva kelin’ ny fianakaviany avy no hitobian’ ny Zanak’ Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
Numb Mg1865 2:3  Ary ny hitoby eo amin’ ny lafiny atsinanana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ ny tobin’ i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;
Numb Mg1865 2:4  ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
Numb Mg1865 2:5  Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ Isakara; ary ny lohan’ ny taranak’ Isakara dia Netanela, zanak’ i Zoara;
Numb Mg1865 2:6  ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
Numb Mg1865 2:7  Dia vao ny firenen’ i Zebolona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Zebolona dia Eliaba, zanak’ i Helona;
Numb Mg1865 2:8  ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
Numb Mg1865 2:9  Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.
Numb Mg1865 2:10  Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Robena no ho eo amin’ ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Robena dia Elizora, zanak’ Sedeora;
Numb Mg1865 2:11  ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
Numb Mg1865 2:12  Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Simeona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Simeona dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday;
Numb Mg1865 2:13  ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
Numb Mg1865 2:14  Dia vao ny firenen’ i Gada; ary ny lohan’ ny taranak’ i Gada dia Eliasafa, zanak’ i Roela;
Numb Mg1865 2:15  ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
Numb Mg1865 2:16  Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.
Numb Mg1865 2:17  Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin’ ny Levita, eo afovoan’ ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ ny filaharany avy, araka ny fanevany.
Numb Mg1865 2:18  Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny andrefana; ary ny lohan’ ny taranak’ i Efraima dia Elisama, zanak’ i Amihoda;
Numb Mg1865 2:19  ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.
Numb Mg1865 2:20  Ary ny firenen’ i Manase ho eo anilany; ary ny lohan’ ny taranak’ i Manase dia Gamaliela, zanak’ i Pedazora;
Numb Mg1865 2:21  ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
Numb Mg1865 2:22  Dia vao ny firenen’ i Benjamina; ary ny lohan’ ny taranak’ i Benjamina dia Abidana, zanak’ i Gideony;
Numb Mg1865 2:23  ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
Numb Mg1865 2:24  Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
Numb Mg1865 2:25  Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny avaratra; ary ny lohan’ ny taranak’ i Dana dia Ahiezera, zanak’ i Amisaday;
Numb Mg1865 2:26  ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
Numb Mg1865 2:27  Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Asera; ary ny lohan’ ny taranak’ i Asera dia Pagiela, zanak’ i Okrana;
Numb Mg1865 2:28  ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
Numb Mg1865 2:29  Dia vao ny firenen’ i Naftaly; ary ny lohan’ ny taranak’ i Naftaly dia Ahira, zanak’ i Enana;
Numb Mg1865 2:30  ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
Numb Mg1865 2:31  Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.
Numb Mg1865 2:32  Ireo no nalamina avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin’ izay nalamina tamin’ ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.
Numb Mg1865 2:33  Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Numb Mg1865 2:34  Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.