LEVITICUS
Chapter 23
Levi | Mg1865 | 23:2 | Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny amin’ ny fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masìna, dia izao no izy: | |
Levi | Mg1865 | 23:3 | Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masìna; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an’ i Jehovah eny amin’ izay fonenanareo rehetra izany. | |
Levi | Mg1865 | 23:4 | Izao no fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, dia fivoriana masìna hantsoinareo amin’ ny fotoany avy: | |
Levi | Mg1865 | 23:5 | Ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 23:6 | Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’ i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. | |
Levi | Mg1865 | 23:7 | Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo; | |
Levi | Mg1865 | 23:8 | fa manatera fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah hafitoana; ary amin’ ny andro fahafito dia hisy fivoriana masìna koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo. | |
Levi | Mg1865 | 23:10 | Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin’ ny voaloham-bokatrareo ho any amin’ ny mpisorona ianareo; | |
Levi | Mg1865 | 23:11 | ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan’ i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin’ ny ampitson’ ny Sabata no hanevahevan’ ny mpisorona azy. | |
Levi | Mg1865 | 23:12 | Ary amin’ izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak’ ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 23:13 | Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina. | |
Levi | Mg1865 | 23:14 | Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’ Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay fonenanareo rehetra. | |
Levi | Mg1865 | 23:15 | Ary manisà ho anareo hatramin’ ny ampitson’ ny Sabata, dia hatramin’ izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka. | |
Levi | Mg1865 | 23:16 | Dia amin’ ny ampitson’ ny Sabata fahafito no hahataperan’ ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an’ i Jehovah indray. | |
Levi | Mg1865 | 23:17 | Ary mitondrà mofo roa avy amin’ ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin’ ny koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’ i Jehovah izany. | |
Levi | Mg1865 | 23:18 | Ary manatera miaraka amin’ ny mofo zanak’ ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr’ ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo mbamin’ ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 23:19 | Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak’ ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana. | |
Levi | Mg1865 | 23:20 | Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin’ ny mofon’ ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah mbamin’ ny zanak’ ondrilahy roa koa; ireo dia ho masìna ho an’ i Jehovah ho anjaran’ ny mpisorona. | |
Levi | Mg1865 | 23:21 | Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masìna ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay fonenanareo rehetra. | |
Levi | Mg1865 | 23:22 | Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao, fa avelao ho an’ ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. | |
Levi | Mg1865 | 23:24 | Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin’ ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin’ ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masìna. | |
Levi | Mg1865 | 23:25 | Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 23:27 | Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masìna ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 23:28 | Ary aza manao raharaha akory amin’ izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo. | |
Levi | Mg1865 | 23:29 | Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin’ izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny. | |
Levi | Mg1865 | 23:30 | Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin’ izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin’ ny fireneny. | |
Levi | Mg1865 | 23:31 | Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay rehetra honenanareo. | |
Levi | Mg1865 | 23:32 | Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin’ ny andro fahasivy amin’ ny volana, rehefa hariva dia hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo. | |
Levi | Mg1865 | 23:34 | Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana fahafolo izany no hiantombohan’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 23:36 | Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ary amin’ ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masìna ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. | |
Levi | Mg1865 | 23:37 | Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masìna, hanaterana fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin’ ny fotoany avy izy rehetra, | |
Levi | Mg1865 | 23:38 | afa-tsy izay fanao amin’ ny Sabatan’ i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 23:39 | Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. | |
Levi | Mg1865 | 23:40 | Ary amin’ ny andro voalohany dia makà voan’ ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan’ ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. | |
Levi | Mg1865 | 23:41 | Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany; amin’ ny volana fahafito no hitandremanareo azy. | |
Levi | Mg1865 | 23:42 | Ao amin’ ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely dia samy hitoetra ao amin’ ny trano rantsan-kazo avokoa, | |
Levi | Mg1865 | 23:43 | mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak’ Isiraely tao amin’ ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. | |